Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Jaona 2:6 - Baiboly Katolika

Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy ny nandehanany koa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no ahafantarantsika fa ao Aminy isika: Izay milaza fa mitoetra ao Aminy dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izay milaza fa mitoetra ao anatin’Andriamanitra izy, dia tsy maintsy miaina toa izay niainan’i Kristy koa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izay milaza fa mitoetra ao anatin’Andriamanitra izy, dia tsy maintsy miaina toa izay niainan’i Kristy koa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no ahafantarantsika fa ao Aminy isika: Izay milaza fa mitoetra ao Aminy dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.

Jereo ny toko



1Jaona 2:6
14 Rohy Ifampitohizana  

Tenan’i Iaveh no hanome ny soa rehetra ka hahavokatra ny vokany ny tanintsika.


Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;


satria nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo.


Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.


Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka an’i Kristy.


Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.


Sady izany koa no niantsoana anareo, satria i Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany:


Ary ankehitriny, anaka, mitoera ao aminy, mba hanan-toky isika rehefa miseho izy, fa tsy horoahina hiala aminy amin-kenatra amin’ny andro hahatongavany.


Izay milaza ho mahalala Azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina.


Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika.


Izay rehetra mitoetra ao aminy, dia tsy mba manota; ary izay manota dia tsy mba nahita Azy na nahalala Azy.


Ary izao no mahalavorary ny fitiavana ao amintsika: hanan-toky marimarina isika amin’ny andro fitsarana, satria nanahaka Azy tamin’ity fiainana ity.