dia sady hahazo bebe kokoa amin’izao fiainana izao, no hanana ny fiainana mandrakizay any aoriana.»
1Jaona 2:25 - Baiboly Katolika Ary ny zavatra nampanantenainy antsika dia ny fiainana mandrakizay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay. DIEM PROTESTANTA Ary ny zavatra nampanantenain’i Kristy antsika dia ny fiaina-maharitra mandrakizay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny zavatra nampanantenain’i Kristy antsika dia ny fiaina-maharitra mandrakizay. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay. Malagasy Bible Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay. La Bible en Malgache Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay. |
dia sady hahazo bebe kokoa amin’izao fiainana izao, no hanana ny fiainana mandrakizay any aoriana.»
omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.
Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay. Koa ny zavatra lazaiko àry dia lazaiko araka ny voalazan’ny Ray tamiko.»
Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ataonareo fa ao no hanananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara Ahy;
Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»
Satria izao no sitrapon’ny Raiko Izay naniraka Ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.»
Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.
fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana;
mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty, no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
fa izay afafin’ny olona no hojinjainy: izay mamafy ho an’ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin’ny nofo; fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.
fa izany indrindra no nahazoako famindram-po, dia ny mba hanamparan’i Kristy Jesoa ny haben’ny famindram-pony amiko aloha mba ho fianarana ho an’izay hino Azy ho ao amin’ny fiainana mandrakizay.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.
dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy, izay hahazoany manana ny tena fiainana.
noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra,
mba hohamarinin’ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.
fa efa naseho ny fiainana, sy efa hitanay, ary vavolombelony izahay, ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin’ny Ray sy naseho taminay. -
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
hitahiry tena amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, ary hiankina amin’ny famindram-pon’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahazo ny fiainana mandrakizay.