1Jaona 2:12 - Baiboly Katolika Manoratra ho anareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny Anarany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manoratra aminareo zanaka aho satria voavela ny helokareo noho ny anarany. DIEM PROTESTANTA Izao no soratako ho anareo rankizy: «Voavela ny fahotanareo noho ny anaran’i Kristy!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no soratako ho anareo rankizy: «Voavela ny fahotanareo noho ny anaran’i Kristy!» Baiboly Protestanta Malagasy MANORATRA aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany. Malagasy Bible Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany. La Bible en Malgache Manoratra aminareo zanaka aho satria voavela ny helokareo noho ny anarany. |
Ry Iaveh ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, aoka hanao ihany Ianao ho voninahitry ny Anaranao; fa maro ny hadisoanay; nanota taminao izahay.
ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.
Nony nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa, dia nanao hoe: «Ralehilahy, voavela ny helokao.»
Ny mpaminany rehetra koa manambara fa amin’ny Anarany no ahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka.»
Aoka ho fantatrareo àry, ry rahalahy, fa Izy ihany no itoriana famelan-keloka aminareo, ary ny ota rehetra tsy nahazoanareo fanamarinana tamin’ny Lalàn’i Môizy,
ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.»
Ary efa mba toy izany ihany koa ianareo, na ny sasany aminareo saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo, sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika ianareo.
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany,
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Anaka, nanoratra izany aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina.
Tsy noho ianareo tsy mahalala ny marina no nanoratako ho anareo, fa noho ianareo mahalala izany indrindra, ary mahafantatra fa ny lainga rehetra dia tsy avy amin’ny marina.
Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy efa ela, izay efa azonareo hatramin’ny voalohany; ary izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo teo.