Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 9:31 - Baiboly Katolika

Ny anankiray amin’ny Levita, dia i Matatiasa lahy matoan’i Seloma, i Kôreita, no tonian’ny mofomamy nendasina tamin’ny lapoaly.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Matatia, iray tamin’ny levita, lahimatoan’i Saloma koraìta, no tonia maharitra amin’ny fanendasana ny mofo atao fanatitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

I Matitià, anankiray tamin’ny levita, dia lahimatoan’i Saloma izay taranak’i Kôra; noho ny toetra mahatoky nasehony, dia tonian’ny fanendasana mofomamy fanao fanatitra izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Matitià, anankiray tamin’ny levita, dia lahimatoan’i Saloma izay taranak’i Kôra; noho ny toetra mahatoky nasehony, dia tonian’ny fanendasana mofomamy fanao fanatitra izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Matatia, anankiray tamin’ny Levita, lahimatoan’i Saloma Koraïta, no tonian’ny zavatra izay natao tamin’ny fanendasana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Matatia, anankiray tamin'ny Levita, lahimatoan'i Saloma Koraita, no tonian'ny zavatra izay natao tamin'ny fanendasana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Matatia, iray tamin’ny levita, lahimatoan’i Saloma koraìta, no tonia maharitra amin’ny fanendasana ny mofo atao fanatitra.

Jereo ny toko



1Tantara 9:31
10 Rohy Ifampitohizana  

Niambezo mafy tamin’izy ireo anefa i Lôta ka nivily nankao aminy izy, dia niditra tao an-tranony. Nanaovany sakafo tsara izy, sy nandrahoany mofo tsy misy lalivay, ka dia nihinana izy ireo.


ny amin’ny mofo alahatra, sy lafarina tsara indrindra hatao fanatitra, ny mofo manify tsy misy lalivay, ny endasina amin’ny lapoaly sy ny zavatra voaharo, ny zavatra fandanja amam-pamàtra rehetra.


Ary ny mpiandry varavarana: i Seloma, i Akoba, i Telmôna, i Ahimàna, mbamin’ny rahalahin’ireo; i Seloma no lehibe,


I Seloma zanak’i Kôre zanak’i Abiasafa zanak’i Kôre, mbamin’ny Kôreita rahalahiny amin’ny fianakavian-drainy, no nanao ny raharahan’ny mpiandry ny varavaran’ny tabernakla; ny razan’izy ireo no efa niandry ny vavahadin’ny tobin’i Iaveh.


212 no isan’ireo olom-boafidy ho mpiandry varavarana ireo. Voasoratra amin’ny vohiny avy izy, ary i Davida sy i Samoela mpahita no nanendry azy hanao io raharaha io.


Fa izy efa-dahy lohan’ny mpiandry varavarana, izay Levita, dia teo amin’ny raharahany hatrany, sady mbola nitandrina ny efitrano sy ny rakitra tao an-tranon’Andriamanitra.


«Ary raha mofo endin-dapoaly no atolotrao ho fanatitra, dia mofo lafarina tsara indrindra voadity amin’ny diloilo, tsy misy lalivay.


Raha mofo mamy nandrahoina tamin’ny kasirôlina no atolotrao ho fanatitra dia hatao amin’ny lafarina tsara indrindra miharo diloilo.


Amin’ny lapoaly no handrahoana azy, ka hasiana diloilo; ary rehefa mendy izy, dia hoentinao ka haterinao voavakivaky, ho fanatitra ankasitrahin’i Iaveh.


Izay vilany tany nandrahoana azy, dia homontsanina, fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hontsanan-drano.