Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 9:29 - Baiboly Katolika

Ny sasany aminy, nitandrina ny fanaka, dia ny fanaka rehetra teo amin’ny fitoerana masina, mbamin’ny lafarina tsara indrindra, ny divay, ny diloilo, ny emboka, ary ny zava-manitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny sasany aminy indray dia notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, ny koba tsara toto, ny divay, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra ary ny zavamanitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny sasany kosa notendrena hiadidy ny tavoara, dia ireo tavoara masina rehetra, ary koa hiadidy ny koba lafarinina sy ny divay ary ny menaka mbamin’ny vovo-javamanitra sy ny zava-mamerovero hafa;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny sasany kosa notendrena hiadidy ny tavoara, dia ireo tavoara masina rehetra, ary koa hiadidy ny koba lafarinina sy ny divay ary ny menaka mbamin’ny vovo-javamanitra sy ny zava-mamerovero hafa;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny sasany aminy indray dia notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, ny koba tsara toto, ny divay, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra ary ny zavamanitra.

Jereo ny toko



1Tantara 9:29
5 Rohy Ifampitohizana  

ny amin’ny mofo alahatra, sy lafarina tsara indrindra hatao fanatitra, ny mofo manify tsy misy lalivay, ny endasina amin’ny lapoaly sy ny zavatra voaharo, ny zavatra fandanja amam-pamàtra rehetra.


Ny Levita sasany kosa, nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana, ka navoakany sy nampidiriny ireny ny sady nisainy koa.


Tsy nihatahana ny didin’ny mpanjaka momba ny mpisorona sy ny Levita, na amin’ny zavatra inona na amin’ny zavatra inona, indrindra fa ny amin’ny momba ny rakitra.


«Omeo didy ny zanak’i Israely hitondra aminao diloilon’ôliva voatoto, hatao jiro hamelona ny lalampy lalandava.