Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 7:40 - Baiboly Katolika

Zanak’i Asera avokoa ireo, lohan’ny fokom-pianakaviana, olom-boafantina sy mahery, lehiben’ny loham-pireneny, 26.000 no isany voasoratra, samy mahazo mitondra fiadiana hiantafika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo zanakalahin’i Asera rehetra ireo dia samy loham-pianakaviany ary olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ny loham-pireneny avy. Ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo sy roa alina; izay no azo nalefa hanafika.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Taranak’i Asera avokoa ireo: samy loham-pianakaviany avy, samy olomanga, samy lehilahy mahery, samy mpitondra mamiratra; ary dia 26 000 teo amin’ny taranak’i Asera no isan’ny miaramila mpiantafika.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Taranak’i Asera avokoa ireo: samy loham-pianakaviany avy, samy olomanga, samy lehilahy mahery, samy mpitondra mamiratra; ary dia 26 000 teo amin’ny taranak’i Asera no isan’ny miaramila mpiantafika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ireo zanakalahin’i Asera rehetra ireo dia samy lohan’ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan’ny azo nalefa hanafika.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ireo zanakalahin'i Asera rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben'ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan'ny azo nalefa hanafika.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo zanakalahin’i Asera rehetra ireo dia samy loham-pianakaviany ary olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ny loham-pireneny avy. Ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo sy roa alina; izay no azo nalefa hanafika.

Jereo ny toko



1Tantara 7:40
5 Rohy Ifampitohizana  

Zanaka lahin’i Olà: i Aerà, i Haniela, ary i Resià.


Ny naterak’i Benjamina dia i Bela lahy matoany, i Asbela lahy aivo, i Aharà fahatelo,


Nisaina tamin’izany ny taranak’i Benjamina nivoaka ny tanàna, ka enina arivo sy roa alina, samy mahatan-tsabatra, no isany, afa-tsy ny mponina tao Gabaà, fiton-jato lahy voafantina.