Avy tamin’ny taranak’i Isakara izay nahafantatra ny andro hahalalana ny tokony hataon’i Israely, 200 lahy samy lohany, mbamin’ny rahalahiny rehetra ambany fahefany.
1Tantara 7:4 - Baiboly Katolika Nana-miaramila momba azy, efa hary fitaovana hiantafika izy ireo, araka ny fianakaviana fiaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, nisy 36.000 ireny, fa maro vady aman-janaka izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanana miaramila antokotokony izy araka ny taranany sy ny fianakaviany avy, enina arivo sy telo alina izany; fa maro ny vady aman-janak’ireo. DIEM PROTESTANTA maro vady aman-janaka ny taranany, isam-pianakaviany, ka lehilahy mahery zatra miantafika 36 000 no nananany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara maro vady aman-janaka ny taranany, isam-pianakaviany, ka lehilahy mahery zatra miantafika 36 000 no nananany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak’ireo. Malagasy Bible Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak'ireo. La Bible en Malgache Nanana miaramila antokotokony izy araka ny taranany sy ny fianakaviany avy, enina arivo sy telo alina izany; fa maro ny vady aman-janak’ireo. |
Avy tamin’ny taranak’i Isakara izay nahafantatra ny andro hahalalana ny tokony hataon’i Israely, 200 lahy samy lohany, mbamin’ny rahalahiny rehetra ambany fahefany.
Zanaka lahin’i Ozia: i Izrahia. Zanaka lahin’i Izrahia: i Mikaela, i Obadià, i Joela, ary i Jesià, filohany dimy izy rehetra.
Ny rahalahin’izy ireo araka ny fianakaviana ao amin’i Isakara rehetra, lehilahy mahery, dia nisy 87.000 ny tontaliny, voasoratra amin’ny tetiaram-pirazanana.