Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 7:21 - Baiboly Katolika

i Zobada zanany, i Sotalà zanany, ary i Ezera sy i Elada izay novonoin’ny lehilahy tao Geta, izay tera-tany, fa nidina hangalatra ny biby fiompiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

i Zabada no zanakalahin’i Tahata; i Sotela no zanakalahin’i Zabada. Novonoin’ny tompon-tany tao Gata i Ezera sy i Elada, satria nidina hangalatra ny omby aman’ondriny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

i Zabada zanakalahin’i Tahata, i Sotela zanakalahin’i Zabada). I Hezera sy i Elehada dia novonoin’ireo lehilahy tompon-tany tao Gata ho faty, satria nidina hangalatra ny biby fiompiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

i Zabada zanakalahin’i Tahata, i Sotela zanakalahin’i Zabada). I Hezera sy i Elehada dia novonoin’ireo lehilahy tompon-tany tao Gata ho faty, satria nidina hangalatra ny biby fiompiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Zabada no zanakalahin’i Tahata, Sotela no zanakalahin’i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin’ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman-ondriny izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Zabada no zanakalahin'i Tahata, Sotela no zanakalahin'i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin'ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman'ondriny izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

i Zabada no zanakalahin’i Tahata; i Sotela no zanakalahin’i Zabada. Novonoin’ny tompon-tany tao Gata i Ezera sy i Elada, satria nidina hangalatra ny omby aman’ondriny.

Jereo ny toko



1Tantara 7:21
6 Rohy Ifampitohizana  

Zanaka lahin’i Efraima: i Sotalà, i Bareda zanany, i Tahata zanany, i Eladà zanany, i Tahata zanany,


Nisaonan’i Efraima rainy ela izy ireo, ka tonga ny rahalahiny hampionona azy.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny Filistinina nanampatra ny famaliana, sady namaly an-kalozana, tamin’ny fanesoana ao am-po, mba handringana izao rehetra izao noho ny fankahalany tsy misy farany,


ka maro tamin’ny Jody no tonga tao amin’i Marta sy i Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan’ny anadahiny.


Tamin’izany dia nalefany hankany Akarôna ny Fiaran’Andriamanitra, dia nibabababa ny Akarônita nanao hoe: «Nentiny tatỳ amintsika ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely mba hahafaty antsika sy ny firenentsika.»


Dia naniraka olona izy ireo, niantso ny filohan’ny Filistinina rehetra hankeo aminy, ary nilaza hoe: «Hataontsika ahoana ity Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely?» Ka hoy ny navalin’ireo: «Aoka hafindra any Geta ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely»; ka nafindra tao ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely.