Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 6:62 - Baiboly Katolika

Ny nomena ny Levita sisa taranak’i Merarỳ: avy amin’ny fokon’i Zabolôna: i Rimôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny an’ny sisa amin’ny taranak’i Merary, avy tamin’ny fokon’i Zebolona, dia i Rimono sy ny tany manodidina azy; i Tabara sy ny tany manodidina azy;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ho an’ireo taranak’i Merarỳ, izany hoe ny Levita sisa, dia nisy tanàna avy tamin’ny fokon’i Zebolòna: dia i Rimôna sy i Tabôra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ho an’ireo taranak’i Merarỳ, izany hoe ny Levita sisa, dia nisy tanàna avy tamin’ny fokon’i Zebolòna: dia i Rimôna sy i Tabôra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny an’ny sisa, taranak’i Merary, dia avy tamin’ny firenen’i Zebolona, dia Rimono sy ny tany manodidina azy ary Tabara sy ny tany manodidina azy;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny an'ny sisa, taranak'i Merary, dia avy tamin'ny firenen'i Zebolona, dia Rimono sy ny tany manodidina azy ary Tabara sy ny tany manodidina azy;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny an’ny sisa amin’ny taranak’i Merary, avy tamin’ny fokon’i Zebolona, dia i Rimono sy ny tany manodidina azy; i Tabara sy ny tany manodidina azy;

Jereo ny toko



1Tantara 6:62
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny taranak’i Merarỳ araka ny fianakaviany dia nahazo tamin’ny loka tanàna 12 avy amin’ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zabolôna.


avy amin’ny fokon’i Neftalì: i Kedesa, any Galilea mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Hamôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, ary i Kariataima mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy.


ny eny an-dafin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô, atsinanan’i Jordany: avy amin’ny fokon-dRobena: i Bosora any an’efitra mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Jasà mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy,


Tera-dahy i Sefôrà ka nataon’i Môizy hoe Gersama ny anarany, fa hoy izy: «Vahiny atỳ an-tany hafa aho.»


Ary ny faritry ny taniny dia nikasika ny tany Tabôra sy Sedesema ary Bety-Samesy, ka tafapaka hatrany Jordany, tanàna 16 sy ny zana-bohiny.


Tanàna 13, tamin’ny fianakaviana fokon’i Isakara sy fokon’i Asera ary fokon’i Neftalì, sy antsasa-pokon’i Manase, any Basàna, no azon’ny taranak’i Gersôna tamin’ny loka.


Tanàna 12 tamin’ny fokon-dRobena, sy fokon’i Gada, ary fokon’i Zabolôna, no azon’ny taranak’i Merarì, araka ny fianakaviany.