1Tantara 6:48 - Baiboly Katolika Ny taranak’i Merarỳ araka ny fianakaviany dia nahazo tamin’ny loka tanàna 12 avy amin’ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zabolôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny antsapaka azon’ny taranak’i Merary araka ny fianakaviany dia tanàna roa amby folo avy tamin’ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zebolona. DIEM PROTESTANTA Ny taranak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 12 no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Reobena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zebolòna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny taranak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 12 no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Reobena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zebolòna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny loka azon’ny taranak’i Merary araka ny fokony dia tanàna roa ambin’ny folo avy tamin’ny firenen’i Robena sy ny firenen’i Gada ary ny firenen’i Zebolona. Malagasy Bible Ary ny loka azon'ny taranak'i Merary araka ny fokony dia tanàna roa ambini ny folo avy tamin'ny firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona. La Bible en Malgache Ny antsapaka azon’ny taranak’i Merary araka ny fianakaviany dia tanàna roa amby folo avy tamin’ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zebolona. |
Ny taranak’i Gersôma, araka ny fianakaviany, dia nahazo tanàna 13, avy amin’ny fokon’i Isakara sy ny fokon’i Asera, ary ny fokon’i Neftalì, sy ny fokon’i Manase tany Basàna.
Nanome ny tanàna, mbamin’ny tany fiandrasam-biby momba azy, ho an’ny Levita ny zanak’i Israely.
Ny nomena ny Levita sisa taranak’i Merarỳ: avy amin’ny fokon’i Zabolôna: i Rimôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy,
Izao no nomena ny fianakavian’ny taranak’i Merarỳ, Levita sisa; avy amin’ny fokon’i Zabolôna: i Jeknama sy ny manodidina azy; i Kartà sy ny manodidina azy;