Ka dia notendren’ny Levita i Hemàna zanak’i Joela, ary tamin’ireo rahalahiny i Asafa zanak’i Barakiasa; tamin’ny taranak’i Merarì rahalahiny, i Etana zanak’i Kôsaià;
1Tantara 6:33 - Baiboly Katolika Ny Levita rahalahin’izy ireo, dia niandraikitra ny fanompoana rehetra amin’ny tabernakla ao an-tranon’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny levita rahalahin’ireo koa dia notendrena hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ny tabernakely, ao amin’ny tranon’Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA Ary ny levîta naman’ireo no nanankinana ny fanompoana hafa rehetra momba ny Tranolay fihaonana, tao an-tranon’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny levîta naman’ireo no nanankinana ny fanompoana hafa rehetra momba ny Tranolay fihaonana, tao an-tranon’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny Levita rahalahin’ireo koa dia efa nomena hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ny tabernakelin’ny tranon’Andriamanitra. Malagasy Bible Ary ny Levita rahalahin'ireo koa dia efa nomena hanao ny fanompoana rehetra ao amin'ny tabernakelin'ny tranon'Andriamanitra. La Bible en Malgache Ny levita rahalahin’ireo koa dia notendrena hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ny tabernakely, ao amin’ny tranon’Andriamanitra. |
Ka dia notendren’ny Levita i Hemàna zanak’i Joela, ary tamin’ireo rahalahiny i Asafa zanak’i Barakiasa; tamin’ny taranak’i Merarì rahalahiny, i Etana zanak’i Kôsaià;
I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpihira, dia nitondra kipantsona varahina, hampanenoina.
ny 4.000 ho mpiandry varavarana, ary ny 4.000 ho mpidera an’i Iaveh amin’ny zava-maneno nataoko hankalazana Azy.»
I Aarôna sy ny zanany anefa no nandoro ny sorona teo ambonin’ny ôtelin’ny sorona dorana, sy ny emboka teo ambonin’ny ôtelin’ny zava-manitra; izy ireo no tsy maintsy nanatanteraka ny raharaha ao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy nanao fanonerana ho an’i Israely, araka izay nandidian’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra.
tamin’ny taranak’i Hemàna: i Jahiela sy i Semeià; ary tamin’ny taranak’i Iditona i Semeiàsa sy i Oziela.
ny Levita mpihira rehetra, i Asafa, i Hemàna, i Iditona, mbamin’ny zanany aman-drahalahiny, samy nitafy rongony madinika, dia nitsangana teo atsinanan’ny ôtely, nitondra kipantsona sy valiha ary harpa, ary teo anilany ny mpisorona 120, samy nitsoka trômpetra;
Fihirana. Salamon’ny zanak’i Kôre. Ho an’ny mpampianatra hira. Hiraina amin’ny feo mitaraina. Fihiranan’i Hemàna, Ezrahita .
Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe: «Ampanatony ny fokon’i Levì, ka apetraho eo anatrehan’i Aarôna mpisorona mba hanao ny raharahany.
hatolotrao ny Levita ho an’i Aarôna sy ny zanakalahiny: dia ho voatolotra mihitsy ho azy izy ireo eo amin’ny zanak’i Israely.
Nisy lehilahy anankiray tany Ramataima-Sofima, any amin’ny tendrombohitra Efraima, atao hoe Elkanà, zanak’i Jerôhama, zanak’i Eliò, zanak’i Taohò, zanak’i Sofa; Efrateanina izy io.
Ary i Elkanà nahalala an’i Anà vadiny, ary i Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin’i Iaveh, hoy izy.
Koa inty kosa aho mahafoy azy ho an’i Iaveh; nafoy ho an’i Iaveh izy amin’ny andro hiainany rehetra. Dia niankohoka teo anatrehan’i Iaveh izy ireo.