Tsy mbola naraikitr’i Iaveh anefa ny hamono ny anaran’i Israely eo ambanin’ny lanitra, ka ny tanan’i Jerôbôama zanak’i Jôasa no namonjen’i Iaveh azy ireo.
1Tantara 6:15 - Baiboly Katolika i Samaà zanany, i Hagià zanany, i Asaià zanany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Simea no zanakalahin’i Oza; i Hagia no zanakalahin’i Simea; i Asaia no zanakalahin’i Hagia. DIEM PROTESTANTA i Simehà zanakalahin’i Hozà, i Hagià zanakalahin’i Simehà, ary i Hasaià zanakalahin’i Hagià. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Simehà zanakalahin’i Hozà, i Hagià zanakalahin’i Simehà, ary i Hasaià zanakalahin’i Hagià. Baiboly Protestanta Malagasy Simea no zanakalahin’i Oza, Hagia no zanakalahin’i Simea, Asaia no zanakalahin’i Hagia. Malagasy Bible Simea no zanakalahin'i Oza, Hagia no zanakalahin'i Simea, Asaba no zanakalahin'i Hagia. La Bible en Malgache i Simea no zanakalahin’i Oza; i Hagia no zanakalahin’i Simea; i Asaia no zanakalahin’i Hagia. |
Tsy mbola naraikitr’i Iaveh anefa ny hamono ny anaran’i Israely eo ambanin’ny lanitra, ka ny tanan’i Jerôbôama zanak’i Jôasa no namonjen’i Iaveh azy ireo.
Nentin’ny kapitenin’ny mpiambina i Saraiasa mpisorona lehibe, sy i Sôfônia mpisorona ambaratonga faharoa, ary mpiandry varavarana telo lahy.
Ka novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna nataony maty tany Reblà any amin’ny tany Emata. Toy izany no nitondrana an’i Jodà ho babo lavitry ny taniny.
Ireto no voatendrin’i Davida hitari-kira, tao an-tranon’i Iaveh, niantomboka hatramin’ny nahazoan’ny fiara fitoeram-pijanonana.
Ka nitsangana nanomboka ny fanaovana ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema indray i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, sy i Jôsoe zanak’i Josedeka, ary niaraka taminy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra nanampy azy.
Hoy anefa i Môizy: «Indrisy! ry Tompo, ampitondray izay tianao hampitondraina azy re ny teninao.»
ary ny vahoaka sisa tamin’ny tany izay tafajanona teo, dia nentin’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina, ho babo any Babilôna.
Izao no isan’ny olona nentin’i Nabokodonozora ho babo: Lehilahy avy amin’i Jodà 3.023, tamin’ny taona faha-7;
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka, tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, tamin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe:
Tamin’izay i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, sy i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, mbamin’ny vahoaka sisa rehetra nihaino ny feon’i Iaveh Andriamaniny, sy ny tenin’i Akjea, mpaminany, araka ny hafatra nomen’i Iaveh Andriamaniny azy, ka natahotra ny vahoaka teo anatrehan’i Iaveh.
Ary notairin’i Iaveh ny fanahin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, ny fanahin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, sy ny fanahin’ny vahoaka sisa rehetra; ka dia tonga izy ireo ary niasa tamin’ny Tranon’i Iavehn’ny tafika Andriamaniny,
Lazao amin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora any Jodà, sy amin’i Jesosy zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, ary ny vahoaka sisa rehetra, ataovy hoe:
Satria tsy ho sahiko lazaina raha zavatra tsy nampanaovin’i Kristy ahy, mba hampanaiky ny Jentily, na tamin’ny teny aman’asa,