Ezra 5:2 - Baiboly Katolika2 Ka nitsangana nanomboka ny fanaovana ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema indray i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, sy i Jôsoe zanak’i Josedeka, ary niaraka taminy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra nanampy azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 Dia nitsangana i Zerobabela zanak’i Sealtiela sy i Josoa zanak’i Jozadaka ka nanomboka nanao ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin’Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA2 Dia niroso niasa indray i Zerobabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadaka, mba hanorina ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema ary nanampy azy roa lahy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 Dia niroso niasa indray i Zerobabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadaka, mba hanorina ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema ary nanampy azy roa lahy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 Dia nitsangana Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin’Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy. Jereo ny tokoMalagasy Bible2 Dia nitsangana Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin'Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache2 Dia nitsangana i Zerobabela zanak’i Sealtiela sy i Josoa zanak’i Jozadaka ka nanomboka nanao ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin’Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy. Jereo ny toko |
Tamin’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, tamin’ny volana faharoa, dia nanomboka ny asa i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, i Jôsoe zanak’i Josedeka, mbamin’ireo rahalahiny sisa, ny mpisorona sy ny Levita, ary izay rehetra tao Jerosalema, avy amin’ny fahababoana, ka nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra izy, hitarika ny asa amin’ny tranon’i Iaveh.