Tongan’i Fola mpanjakan’i Asiria, ny tany, ary nomen’i Manahema talenta volafotsy arivo i Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany.
1Tantara 5:25 - Baiboly Katolika Nivadika tamin’ny Andriamanitry ny razany anefa izy ireo, fa nitolo-tena hanaraka ny andriamanitry ny vahoakan’ny tany izay naringan’Andriamanitra teo anoloany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nivadika tamin’Andriamanitry ny razany anefa izy ireo fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’Andriamanitra tsy ho eo anoloany. DIEM PROTESTANTA Ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase dia nivadika tamin’ilay Andriamanitry ny razany ka nanompo ny andriamani-kafan’ny firenena tompon-tany izay efa naringan’Andriamanitra teo anoloany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase dia nivadika tamin’ilay Andriamanitry ny razany ka nanompo ny andriamani-kafan’ny firenena tompon-tany izay efa naringan’Andriamanitra teo anoloany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nivadika tamin’Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’Andriamanitra tsy ho eo anoloany. Malagasy Bible Ary nivadika tamin'Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan'Andriamanitra tsy ho eo anoloany. La Bible en Malgache Nivadika tamin’Andriamanitry ny razany anefa izy ireo fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’Andriamanitra tsy ho eo anoloany. |
Tongan’i Fola mpanjakan’i Asiria, ny tany, ary nomen’i Manahema talenta volafotsy arivo i Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany.
Ireto no lohany amin’ny fianakaviany: i Efera, i Jesì, i Ezriela, i Jirmeià, i Odoià, ary i Jedihela, lehilahy matanjaka sy mahery, lehilahy malaza, lohan’ny fokom-pianakaviany avy.
Voasoratra amin’ny tetiaram-pirazanana avokoa izany i Israely rehetra, ka indreto izy voasoratra ao amin’ny bokim-panjakan’i Israely; ary nenti-ko babo tany Babilôna i Jodà, noho ny fahotany.
Koa aza manao fanekena amin’ny mponina amin’ny tany, fandrao, rehefa mitolo-tena amin’ny andriamaniny ireny sy manolo-tsorona aminy, dia asainy koa ianao sy hihinana amin’ny sorony;
Tamin’ny niandohan’ny nitenenan’i Iaveh tamin’i Osea, izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Osea: «Mandehana ianao, makà vady tena janga, aman-janaky ny fijangajangana, satria tsy misy ataon’ny tany afa-tsy ny misaraka amam-bady amin’ny fandaozana an’i Iaveh.»
Aza miarana amin’ny fifaliana, ry Israely, na amin’ny firavoravoana toy ny firenena. Fa ianao, efa nitolo-tena amin’ny ratsy lavitra ny Andriamanitrao, efa nankamamy ny tangin’ny mpijangajanga, teny am-pamoloana rehetra teny.
Nisy anarana, dia anarana miafin-kevitra voasoratra teo an-kandriny, nanao hoe: «Babilôna lehibe, Renin’ny fijangajangana sy ny zava-betaveta amin’ny tany.»
Nafoiny i Iaveh Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa andriamani-kafa, tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny, sy niankohofany teo anatrehany, ka nampahatezitra an’i Iaveh izy ireo.
nefa tsy nihaino izay mpitsarany akory izy; fa nandeha nitolo-teny tamin’ny andriamani-kafa, sy niankohoka teo anoloan’ireny. Nalaky nivily izy tamin’ny lalana nomban’ny razany, izay nitandrina ny didin’i Iaveh; tsy nanao tahaka izany izy.
Nony maty i Jedeôna dia nitolo-tena tamin’ireo Baala indray ny zanak’i Israely; ka i Baala-Berita no nataony andriamaniny.