Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 3:15 - Baiboly Katolika

Zanaka lahin’i Josiasa: i Johanàna no lahy matoa, i Jôakima no lahy aivo, i Sedesiasa no fahatelo, i Seloma no fahefatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no zanakalahin’i Josia: I Johanana, lahimatoa; i Joiakima, lahiaivo; i Zedekia, fahatelo ary i Saloma, faralahy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny zanakalahin’i Josià dia i Johanàna no lahimatoa, i Jôiakima no faharoa, i Tsedekià no fahatelo, ary i Saloma no fahefatra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny zanakalahin’i Josià dia i Johanàna no lahimatoa, i Jôiakima no faharoa, i Tsedekià no fahatelo, ary i Saloma no fahefatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izao no zanakalahin’i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izao no zanakalahin'i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no zanakalahin’i Josia: I Johanana, lahimatoa; i Joiakima, lahiaivo; i Zedekia, fahatelo ary i Saloma, faralahy.

Jereo ny toko



1Tantara 3:15
13 Rohy Ifampitohizana  

23 taona i Jôakaza fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak’i Jeremia avy any Lobnà.


I Eliasima zanak’i Josiasa no natsangan’i Faraôna Nekao ho mpanjaka, hisolo an’i Josiasa rainy, ary novany hoe i Jôakima ny anarany. Fa i Jôakaza izay nosamboriny kosa dia nankany Ejipta ka maty tany.


Ary ny natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka hisolo an’i Joasina, dia i Mataniasa rahalahin-drainy, ka novany hoe i Sedesiasa ny anarany.


i Amôna zanany, i Josiasa zanany.


Zanaka lahin’i Jôakima: i Jekôniasa zanany, i Sedesiasa zanany.


I Jôakaza, zanak’i Josiasa, no nalain’ny vahoaka tamin’ny tany nampanjakainy handimby an-drainy, tao Jerosalema.


Nony niherina ny taona dia nasain’i Nabokodonozora mpanjaka nentina ho any Babilôna izy, mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’i Iaveh. Ary i Sedesiasa rahalahin’i Joasina, no notendreny ho mpanjakan’i Jodà sy i Jerosalema.


sy tamin’ny andron’i Jôakima, zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny farany taona faha-11, nanjakan’i Sedesiasa zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema, tamin’ny volana faha-5.


Fa izao no lazain’i Iaveh: Ny amin’i Seloma zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, izay nanjaka nisolo toerana an’i Josiasa rainy, sy efa niala tamin’ity fitoerana ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy,


Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, ry rahalahy, indrisy, ry anabavy. Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, tompoko! Indrisy, ry mpanjaka!


Ary toy ny ataon’ny olona amin’ireo aviavy ratsy ireo, izay tsy azo hanina akory, noho ny haratsiany loatra, - izao no tenin’i Iaveh - no hataoko amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, ny mpanapaka mbamin’izay sisa any Jerosalema, ireo izay mitoetra amin’ity tany ity, ary ireo monina any amin’ny tany Ejipta.


Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, no nahatongavan’izao teny izao, avy amin’i Iaveh, ho amin’i Jeremia.


I Sedesiasa zanak’i Josiasa no nanjaka nandimby an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima; i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna no nanangana azy ho mpanjaka amin’ny tanin’i Jodà.