Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 29:3 - Baiboly Katolika

Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitra, izay volamena sy volafotsy ananako dia omeko hatao amin’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’izay rehetra nomaniko hanaovana ny fitoerana masina,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitro dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ankamamiko tokoa ny tranon’Andriamanitro; ka ho fanampin’ny zavatra rehetra nomaniko ho an’ity Toeramasina ity, dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitro koa izay volamena sy volafotsy ananako manokana:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ankamamiko tokoa ny tranon’Andriamanitro; ka ho fanampin’ny zavatra rehetra nomaniko ho an’ity Toeramasina ity, dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitro koa izay volamena sy volafotsy ananako manokana:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitro dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon'Andriamanitro dia omeko ho an'ny tranon'Andriamanitra, ho fanampin'ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitro dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,

Jereo ny toko



1Tantara 29:3
14 Rohy Ifampitohizana  

Nefa kosa ny fitoerana avo, mbola tsy foana, ary notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.


Fa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornàna: «Tsia, fa tiako hovidina vola araka izay tena vidiny marina, fa tsy haka ny anao ho an’i Iaveh aho, na hanatitra sorona dorana azoko maina.»


Nanao izay tratry ny aiko aho namonona izay hanaovana ny tranon’Andriamanitra, dia volamena hanaovana ny fanaka volamena, volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, varahina hanaovana ny fanaka varahina, vy hanaovana ny fanaka vy, hazo hanaovana ny fanaka hazo, vato berila sy vato fandatsaka an-tranontranony, vato fanao ravaka sy samihafa volo, vato soa isan-karazany, ary vato marbra ankabetsahany.


dia talenta volamena 3.000, ny volamena avy any Ofira; talenta volafotsy voadio 7.000, hapetraka amin’ny atin’ny rindrin’ny efitrano;


Tiako ny mitoetra ao an-tranonao, ry Iaveh ô, dia ny fitoerana ipetrahan’ny voninahitrao.


Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.


Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitiena. Salamon’ny zanak’i Kôre.


Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao!


«Ilazao ny zanak’i Israely mba hanokan-javatra hafoy ho Ahy, ka horaisinareo amin’izay olona rehetra mahafoy an-tsitrapo malalaka ny zavatra omeny Ahy.


fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagogantsika aza.»