Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 28:7 - Baiboly Katolika

Hohamafisiko ho mandrakizay ny fanjakany, raha mifikitra amin’ny fanarahana ny didiko amam-pitsipiko, tahaka ny amin’izao anio izao, izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandrakariva tahaka ny amin’izao anio izao izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hataoko mijoro mandrakizay ny fanjakàny, raha maharitra manatanteraka ny didiko sy ny fitsipiko izy tahaka ny amin’izao anio izao.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hataoko mijoro mandrakizay ny fanjakàny, raha maharitra manatanteraka ny didiko sy ny fitsipiko izy tahaka ny amin’izao anio izao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin’izao anio izao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin'izao anio izao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandrakariva tahaka ny amin’izao anio izao izy.

Jereo ny toko



1Tantara 28:7
14 Rohy Ifampitohizana  

Fa nony tamin’ny fahanteran’i Salômôna, dia natongilan’ny vadiny ho amin’ny andriamani-kafa ny fony, ka tsy mba an’i Iaveh Andriamaniny manontolo, toy ny an’i Davida rainy, ny fony,


Ary raha mandeha amin’ny lalako ianao, ka mitandrina ny didy aman-dalàko toy ny nandehanan’i Davida rainao, dia hohalavaiko ny andronao.»


Ho an’i Iaveh Andriamanitsika anie ny fonareo manontolo, mba hanarahanareo ny lalàny, sy hitandremanareo ny didiny, tahaka izao anio izao.


Hoambinina ianao amin’izay, raha manampò tokoa ny hanaraka ny lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh an’i Môizy ho an’i Israely. Mahereza ary matokia fa aza matahotra na manam-badi-po.


Diniho àry izao, fa nofidin’i Iaveh ianao, hanao trano ho fitoerany masina, ka mahereza sy miasà.»


Ary ankehitriny, eto imason’i Israely rehetra, fiangonan’i Iaveh, sy eto anatrehan’ny Andriamanitsika, izay mandre antsika, dia araho sy tandremo tsara ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo rehetra, mba hanananareo ity tany soa ity, sy hamindranareo azy ho lovan’ny fara mandimby anareo mandrakizay.


Raha tandreman’ny zanakao ny fanekeko, mbamin’ny didy hampianariko azy, dia hipetraka mandrakizay, eo amin’ny seza fiandriananao koa ny zanany.