Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 28:18 - Baiboly Katolika

ny môdelin’ny ôtelin’ny zava-manitra hatao amin’ny volamena voadio, araka ny lanjany; ny môdelin’ny kalesin’Andriamanitra, ny kerobima volamena mivelatra elatra manarona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ny lanjan’ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; nomeny koa ny sarin’ny fiaran’Andriamanitra, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ary ny lanjan’ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana vovo-javamanitra. Farany, nomen’i Davida an’i Salômôna ny sarin’ilay kalesy misy ireo kerobîma volamena izay samy manana elatra mivelatra manarona ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary ny lanjan’ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana vovo-javamanitra. Farany, nomen’i Davida an’i Salômôna ny sarin’ilay kalesy misy ireo kerobîma volamena izay samy manana elatra mivelatra manarona ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny lanjan’ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin’ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran’ny faneken’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny lanjan'ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin'ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ny lanjan’ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; nomeny koa ny sarin’ny fiaran’Andriamanitra, dia ny kerobima* volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.

Jereo ny toko



1Tantara 28:18
13 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’i Salômôna koa ny fanaka hafa rehetra izay tao an-tranon’i Iaveh: ny ôtely volamena, ny latabatra volamena fametrahana ny mofo alahatra,


ny mariky ny fitrebika, ny jôgy, ny kôpy volamena madio, ny siny volamena, mbamin’ny lanjany avy isan-tsiny; ny siny volafotsy, mbamin’ny lanjany avy isan-tsiny;


Naletsiny ny lanitra dia nidina Izy; rahona matevina no teo ambanin’ny tongony.


ry tendrombohitra avo tampona, ahoana no ijerenareo amim-pialonana? Eny, hitoetra ao mandrakizay i Iaveh.


Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Lisin’ny vavolombelona. Salamon’i Asafa.


Mpanjaka i Iaveh; mangovitra ny firenena; mipetraka eo amin’ny Kerobima Izy; mangozohozo ny tany.


Nisy Kerobim-boninahitra teo amboniny, izay nandrakotra ny fanaovam-panavotana tamin’ny alony. Fa tsy azo visavisaina eto avokoa ny andinidinik’izany


Dia naniraka nankany Silao ny olona, ka nentina avy amin’io tanàna io ny Fiaran’ny Faneken’i Iavehn’ny tafika, izay mipetraka amin’ny Kerobima. Niaraka tamin’ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh Andriamanitra izy mirahalahy zanak’i Helì, dia i Ofnì sy i Finea.