Ary nataony ny rihana manolotra ny trano manontolo izay nisy dimy hakiho ny haavony, ary hazo sedera no nanakambanany azy tamin’ny trano.
1Tantara 28:11 - Baiboly Katolika Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny mariky ny alo-baravarana, ny trano, ny efitry ny rakitra, ny efitra ambony, ny efitra anatiny miray amin’io, ny efitry ny fanoneram-pahotana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Natolotr’i Davida an’i Solomona zanany ny sarin’ny lalantsara fidirana sy ny trano, ny trano fitahirizan-drakitra, ny efitrano ambony, ny efitrano anatiny, ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana; DIEM PROTESTANTA Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny sarin’ny Toeramasina sy ny trano fanampiny –efitrano firaketana, efitrano ambony, efitrano anatiny –ary ny trano hisy ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny Tompo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny sarin’ny Toeramasina sy ny trano fanampiny –efitrano firaketana, efitrano ambony, efitrano anatiny –ary ny trano hisy ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny Tompo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Davida nanome an’i Solomona zanany ny sarin’ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana, Malagasy Bible Ary Davida nanome an'i Solomona zanany ny sarin'ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana, La Bible en Malgache Natolotr’i Davida an’i Solomona zanany ny sarin’ny lalantsara fidirana sy ny trano, ny trano fitahirizan-drakitra, ny efitrano ambony, ny efitrano anatiny, ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana; |
Ary nataony ny rihana manolotra ny trano manontolo izay nisy dimy hakiho ny haavony, ary hazo sedera no nanakambanany azy tamin’ny trano.
Ny trano heva eo anoloan’ny tempoly amin’ny trano dia roapolo hakiho ny lavany, manaraka ny sakantrano, ary folo hakiho ny sakany manoloana ny trano.
mbamin’ny marika rehetra izay efa tao an-tsainy, momba ny kianjan’ny tranon’i Iaveh sy ny efitra rehetra amin’ny manodidina, ho an’ny rakitry ny tranon’Andriamanitra sy ny rakitry ny fitoerana masina,
«Izany rehetra izany», hoy i Davida, «ny asa rehetra amin’izany marika izany, dia nampahafantarin’i Iaveh ahy, tamin’ny soratra nosoratan’ny tanany, tonga atỳ amiko.»
Dia nentin’ny mpisorona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, ho ao amin’ny fitoerany, ao amin’ny fitoerana masin’ny trano, amin’ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima.
efa namboatra ho an’io, efitrano anankiray lehibe, nitahirizana talohan’izany ny fanatitra, ny emboka, ny fanaka, ny ampahafolon’ny vary, divay vaovao, diloilo, ny hetra ho an’ny Levita, ny mpiandry varavarana, ary izay natokana ho an’ny mpisorona.
Ary harahinareo tsara izay rehetra hasehoko anareo, ny mariky ny tabernakla sy ny mariky ny fanaka rehetra momba azy.»
Mandehana ianao mankany amin’ny fianakavian’i Rekabita, ka mitenena aminy. Ento ho ao an-tranon’i Iaveh amin’ny efitrano anankiray izy ireo, ka tolory divay hosotroiny.
Ny elanelan’ny hatreo anoloan’ny vavahady fidirana, ka hatreo anoloan’ny trano fidirana anatiny, dia 50 hakiho.
Ary nanopy ny masony i Jesoa ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra.
ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony, araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: «Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.»