Ny mason’i Israely rehetra anefa izao, ry mpanjaka tompoko ô, dia samy manandratra anao, hanambara izay hipetraka handimby anao, eo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka tompoko.
1Tantara 28:10 - Baiboly Katolika Diniho àry izao, fa nofidin’i Iaveh ianao, hanao trano ho fitoerany masina, ka mahereza sy miasà.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa mitandrema, fa efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina NY TOMPO. Mahereza ka mahefà. DIEM PROTESTANTA Indro efa nofidin’ny TOMPO ianao izao mba hanorina tempoly ho Toeramasiny; dia mahereza ka mahefà.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indro efa nofidin’ny TOMPO ianao izao mba hanorina tempoly ho Toeramasiny; dia mahereza ka mahefà.» Baiboly Protestanta Malagasy Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà. Malagasy Bible Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà. La Bible en Malgache Koa mitandrema, fa efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina NY TOMPO. Mahereza ka mahefà. |
Ny mason’i Israely rehetra anefa izao, ry mpanjaka tompoko ô, dia samy manandratra anao, hanambara izay hipetraka handimby anao, eo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka tompoko.
«Handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho ity, ka mahereza ianao, misehoa ho lehilahy.
Hoambinina ianao amin’izay, raha manampò tokoa ny hanaraka ny lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh an’i Môizy ho an’i Israely. Mahereza ary matokia fa aza matahotra na manam-badi-po.
Ary hoy i Davida tamin’i Salômôna zanany: «Matanjaha! Mahereza! Miasà! Ary aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitra, Andriamanitro homba anao; tsy handao anao Izy, na hahafoy anao, mandra-pahavitan’ny asa rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
Hoy Izy tamiko: I Salômôna zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako; fa nofidiko ho zanako izy; ary toy ny ray ho azy Aho.
Koa mitsangàna ianao, fa adidinao izao raharaha izao. Ary indreto koa izahay momba anao. Matokia, ary ataovy izany.»
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ary mahareta tsara amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.