Ka i Josefa namory ny vokatry ny tany rehetra tamin’izany fito taona izany tany Ejipta, nanangona fitaovana tamin’ny tanàna izy, fa isan-tanàna dia samy nampidirany ny vokatry ny tany manodidina azy avy.
1Tantara 27:25 - Baiboly Katolika I Asmota zanak’i Adiela no tonian’ny rakitry ny mpanjaka, i Jonatàna zanak’i Oziasa no amin’ny rakitra, na an-tsaha na an-tanàna, na amin’ny zana-bohitra na amin’ny tilikambo; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tonian’ny trano fitahirizan’ny mpanjaka dia i Azmaveta, zanak’i Adiela; ny tonian’ny trano fitahirizana tany ambanivohitra, na tamin’ny tanàna, na tamin’ny vohitra, na tamin’ny tilikambo, dia i Jonatana, zanak’i Ozia; DIEM PROTESTANTA I Hazmavety, zanakalahin’i Hadiela, no mpiandraikitra ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka. I Jônatàna, zanakalahin’i Hozià, no mpiandraikitra ny trano fitahirizam-bokatra, na tany ambanivohitra na tamin’ny tanàn-dehibe na tamin’ny tanàna kely na tamin’ny tilikambo fiarovana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Hazmavety, zanakalahin’i Hadiela, no mpiandraikitra ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka. I Jônatàna, zanakalahin’i Hozià, no mpiandraikitra ny trano fitahirizam-bokatra, na tany ambanivohitra na tamin’ny tanàn-dehibe na tamin’ny tanàna kely na tamin’ny tilikambo fiarovana. Baiboly Protestanta Malagasy ARY ny tonian’ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak’i Adiela; ary ny tonian ny trano firaketana tany ambany vohitra, na tamin’ny tanàna, na tamin’ny vohitra, na tamin’ny tilikambo, dia Jonatana, zanak’i Ozia; Malagasy Bible Ary ny tonian'ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak'i Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin'ny tanàna, na tamin'ny vohitra, na tamin'ny tilikambo, dia Jonatana, zanak'i Ozia; La Bible en Malgache Ny tonian’ny trano fitahirizan’ny mpanjaka dia i Azmaveta, zanak’i Adiela; ny tonian’ny trano fitahirizana tany ambanivohitra, na tamin’ny tanàna, na tamin’ny vohitra, na tamin’ny tilikambo, dia i Jonatana, zanak’i Ozia; |
Ka i Josefa namory ny vokatry ny tany rehetra tamin’izany fito taona izany tany Ejipta, nanangona fitaovana tamin’ny tanàna izy, fa isan-tanàna dia samy nampidirany ny vokatry ny tany manodidina azy avy.
Ka nomen’i Ezekiasa avokoa ny volafotsy hita tao an-tranon’i Iaveh, sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka.
Efa nanomboka ny fanisana i Jôaba zanak’i Sarvià, fa tsy nahatapitra izany, satria azon’ny hatezeran’i Iaveh noho izany i Israely ka ny isa efa hita dia tsy voasoratra ao amin’ny rejistry ny tantaran’i Davida mpanjaka.
Novorin’i Davida tany Jerosalema avokoa ny lehibe amin’i Israely, dia ny lohan’ny foko, ny lehiben’ny antokony manompo ny mpanjaka, ny tomponarivo, ny tompon-jato, ny tonian’ny fananana sy ny biby fiompin’ny mpanjaka, sy ny zanany mbamin’ny mpitandrina sy ny olo-mahery, ny miaramila mahery rehetra.
Dia nanolotra fanatitra an-tsitrapo ny loham-pianakaviana, ny loham-pokon’i Israely, ny tomponarivo, ny tompon-jato ary ny tonian-draharahan’ny mpanjaka.
Dia namoaka volafotsy sy volamena tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka i Asà, ka nandefa iraka ho any amin’i Ben-Hadada, mpanjakan’i Siria, izay nonina tany Damasa, hilaza hoe:
Nanao tilikambo tany an’efitra koa izy; ary nihady lavaka famorian-drano betsaka, fa nanana biby fiompiny maro tany, sy tany amin’ny Sefelà mbamin’iny tany lemaka avo, ary nanana mpiasa amam-pamboly voaloboka koa tany an-tendrombohitra sy tany Karmela, fa tia asa tany izy.
Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy, mba hamoritra azy amin’ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna dia Pitaoma sy Ramsesa.
Nisy folo lahy tamin’izy ireo anefa, nilaza tamin’i Ismaely hoe: «Aza mba vonoina izahay, fa manam-pitaovana miafina any an-tsaha, dia varimbazaha, orja, diloilo, sy tantely.» Ka dia nijanona izy, fa tsy namono an’ireo teo afovoan’iretsy rahalahiny.