Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 25:5 - Baiboly Katolika

Izy rehetra ireo dia zanaka lahin’i Hemàna, izay mpahitan’ny mpanjaka, amin’ny tenin’Andriamanitra, hankalaza ny fahefany. Zazalahy 14 sy zazavavy telo no nomen’Andriamanitra an’i Hemàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo rehetra ireo no zanak’i Hemana, mpahitan’ny mpanjaka ny amin’ny tenin’Andriamanitra, natao hanandratra ny tandroka. Ary i Hemana dia efa nomen’Andriamanitra zazalahy efatra amby folo sy zazavavy telo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Hemàna izay isehoam-pahitana ka mampita amin’ny mpanjaka ireo tenin’Andriamanitra, mba hanandratana ny heriny. Ary zazalahy 14 sy zazavavy telo no efa nomen’Andriamanitra an’i Hemàna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Hemàna izay isehoam-pahitana ka mampita amin’ny mpanjaka ireo tenin’Andriamanitra, mba hanandratana ny heriny. Ary zazalahy 14 sy zazavavy telo no efa nomen’Andriamanitra an’i Hemàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ireo rehetra ireo no zanak’i Hemana, mpahitan’ny mpanjaka ny amin’ny tenin’Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen’Andriamanitra zazalahy efatra ambin’ny folo sy zazavavy telo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ireo rehetra ireo no zanak'i Hemana, mpahitan'ny mpanjaka ny amin'ny tenin'Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen'Andriamanitra zazalahy efatra ambin'ny folo sy zazavavy telo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo rehetra ireo no zanak’i Hemana, mpahitan’ny mpanjaka ny amin’ny tenin’Andriamanitra, natao hanandratra ny tandroka. Ary i Hemana dia efa nomen’Andriamanitra zazalahy efatra amby folo sy zazavavy telo.

Jereo ny toko



1Tantara 25:5
9 Rohy Ifampitohizana  

Nony nanopy ny masony i Esao, ka nahita ireto zaza amam-behivavy dia nanao hoe: «Iza avy ireto miaraka aminao?» Ary hoy i Jakôba: «Ireo no zaza nomen’Andriamanitra ny mpanomponao.»


Nony ampitso, rehefa nifoha i Davida, dia tonga tamin’i Gada, mpaminany, mpahitan’i Davida, ny tenin’i Iaveh nanao hoe:


Niteny tamin’i Gada, mpahitan’i Davida, i Iaveh, nanao hoe:


Amin’i Hemàna, ny zanaka lahin’i Hemàna: i Boksiao, i Mataniaò, i Ozilea, i Soboela, i Jerimota, i Hanaiasa, i Hananỳ, i Eliata, i Gedeltỳ, i Rômentiezera, i Jesbakasà, i Melotì, i Otira, ary i Mahaziôta.


Tamin’ny zanako rehetra kosa, - fa nomen’i Iaveh zanaka maro aho, - i Salômôna zanako no nofidiny, mba hampipetraka azy amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Iaveh amin’i Israely.


Ny mpihira, taranak’i Asafa, nitoetra teo amin’ny fitoerany, araka ny didin’i Davida sy i Asafa, ary i Hemàna sy i Iditona, mpahitan’ny mpanjaka; ny mpiandry varavarana kosa samy teo amin’ny isam-bavahady avy, fa tsy nanan-javatra hoherikerehina afa-tsy ny raharahany ihany, satria ny Levita rahalahiny efa namboatra ny Paka ho azy.


Indro fa lova avy amin’i Iaveh ny zanaka; valisoa ny aloaky ny kibo miteraka.


Inty aho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra ahy, dia famantarana sy fambara amin’i Israely izahay, avy amin’i Iavehn’ny tafika, izay monina ao an-tendrombohitra Siôna.


Teo amin’i Israely fahiny ny olona mandeha hanontany amin’Andriamanitra dia nifampilaza hoe: «Handeha isika ho any amin’ny mpahita». Fa mpahita no fiantson’ny taloha ny atao ankehitriny hoe mpaminany.