Ka dia notendren’ny Levita i Hemàna zanak’i Joela, ary tamin’ireo rahalahiny i Asafa zanak’i Barakiasa; tamin’ny taranak’i Merarì rahalahiny, i Etana zanak’i Kôsaià;
1Tantara 25:2 - Baiboly Katolika Amin’ny zanaka lahin’i Asafa: i Zakora, i Josefa, i Natanià ary i Asarelà, ireo no zanaka lahin’i Asafa, tarik’i Asafa, naminany araka ny didy avy amin’ny mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny zanakalahin’i Asafa dia i Zakora, i Josefa, i Netania ary i Asarela, zanak’i Asafa, notarihin’i Asafa, izay naminany araka izay nitarihan’ny mpanjaka azy. DIEM PROTESTANTA Ny an’ny zanakalahin’i Asafa dia ry i Zakora sy i Jôsefa ary i Netanià sy i Asarelà. Ireo zanakalahin’i Asafa ireo dia notarihin’i Asafa rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra araka ny fitarihan’ny mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny an’ny zanakalahin’i Asafa dia ry i Zakora sy i Jôsefa ary i Netanià sy i Asarelà. Ireo zanakalahin’i Asafa ireo dia notarihin’i Asafa rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra araka ny fitarihan’ny mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’ny zanakalahin’i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak’i Asafa, nofehezin’i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan’ny mpanjaka azy. Malagasy Bible Tamin'ny zanakalahin'i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak'i Asafa, nofehezin'i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan'ny mpanjaka azy. La Bible en Malgache Tamin’ny zanakalahin’i Asafa dia i Zakora, i Josefa, i Netania ary i Asarela, zanak’i Asafa, notarihin’i Asafa, izay naminany araka izay nitarihan’ny mpanjaka azy. |
Ka dia notendren’ny Levita i Hemàna zanak’i Joela, ary tamin’ireo rahalahiny i Asafa zanak’i Barakiasa; tamin’ny taranak’i Merarì rahalahiny, i Etana zanak’i Kôsaià;
dia i Asafa filohany, i Zakaria faharoa, dia i Jahiela, i Semiramôta, i Jehiela, i Matatiasa, i Eliaba, i Banaiasa, i Obededôma ary i Jehiela, izay nanan-java-maneno, lokanga, harpa, ary i Asà nampaneno ny kipantsona,
Natokan’i Davida sy ireo komandin’ny tafika, hanaovana ny fanompoana, ny sasany amin’ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Iditona izay naminany tamin’ny harpa aman-dokanga ary kipantsona. Izao no isan’ireo izay manana anjara raharaha amin’ny fanompoana.
Amin’i Iditona, ny zanaka lahin’i Iditona: i Godohiasa, i Sorỳ, i Jereiasa, i Hasabiasa, i Matatiasa, ary i Semeià, enina izy araka ny didin’i Iditona rainy, izay naminany tamin’ny lokanga hidera sy hankalaza an’i Iaveh.
Ireo Levita rehetra ireo dia samy notarihin’ny rainy avy, hanao ny hira ao an-tranon’i Iaveh, ka nanana kipantsona sy lokanga ary harpa, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra, eo ambany fifehezan’i Davida sy i Asafa ary i Iditona sy i Hemàna.
Filokana no nataon’izy ireo na kely na lehibe na ny mpampianatra na ny mpianatra, ny amin’ny anjara raharahany.
Ary izao no fonenany, araka ny fari-bohiny, tao amin’ny zarataniny avy: Ny taranak’i Aarôna, amin’ny fianakavian’ny Kaatita, izay voatendrin’ny filokana voalohany,
Nony nandatsaka ny fototry ny tempolin’i Iaveh ny mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trômpetra, mbamin’ny Levita, taranak’i Asafa, nitondra kipantsona, hidera an’i Iaveh, araka ny voadidin’i Davida, mpanjakan’i Israely.
Fihirana nataon’i Asafa. Ry Andriamanitra ô, nahoana no dia nanary anay mandrakizay Ianao? sy mirehitra amin’ny ondry ao amin’ny tanim-bilonao ny hatezeranao?
Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Salamon’i Asafa. Fihirana.
Fihirana nataon’i Asafa. Henoy ny fampianarako, ry vahoakako, atongilano amin’ny tenin’ny vavako, ny sofinao.
Salamon’i Asafa. Ry Andriamanitra ô, ibosesehan’ny firenena ny lovanao, ka ny tempolinao masina nolotoiny; i Jerosalema nataony korontam-bato;
Fihirana nataon’i Asafa. Eo amin’ny fiangonan’ny Tsitoha, Andriamanitra; namoaka ny teniny eo afovoan’ireo andriamanitra izy:
Nony halain’ny rahalahiny ny olona anankiray, ao an-tranon-drainy ilazany hoe: «Manan-damba ianao, ka aoka ho lehibenay, ary aoka ho ambany fiambenanao izao faharavana izao!»