Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 23:27 - Baiboly Katolika

Koa araka ny didy farany avy amin’i Davida no nanisana ny taranak’i Levì, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa araka ny faratenin’i Davida dia nisaina hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny levita.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Araka ny faratenin’i Davida no nanisana ny levita, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Araka ny faratenin’i Davida no nanisana ny levita, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa araka ny fara-tenin’i Davida dia nisaina hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa araka ny fara-tenin'i Davida dia nisaina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa araka ny faratenin’i Davida dia nisaina hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny levita.

Jereo ny toko



1Tantara 23:27
9 Rohy Ifampitohizana  

Izao no fara tenin’i Davida: «Zava-marina nambaran’i Davida zanak’i Isaia, tenin’ilay lehilahy mipetraka amin’ny toerana ambony, ilay voahosotry ny Andriamanitr’i Jakôba, ilay mpanao hiran’i Israely mahatehotia.


Ireo no zanaka lahin’i Levì araka ny fianakaviany, ny loham-pianakaviana, araka ny nanisana azy, voaisa isan’olona, voatonona anarana, izay nanao fanompoana tao an-tranon’i Iaveh hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.


Ary ny Levita efa tsy hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra, fanaovana ny fanompoana momba azy intsony.»


Fa ny raharahany dia ny manolo-tena hoentin’ny taranak’i Aarôna, amin’ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, ny amin’ny momba ny kianja aman’efitrano, ny fanadiovana ny zavatra masina, ary ny raharaha momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh;


dia nisaina ny Levita hatramin’ny telopolo taona no miakatra, ka 38.000 no isan’ny vatan-dehilahy tsirairay avy.


Ny boky fanoratana ny mpisorona dia nalahatra araka ny fianakavian-drain’izy ireo ary ny Levita dia voasoratra araka ny raharahany sy ny antokony avy, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.


Tapitra ny vavak’i Davida zanak’i Izaì.


Izy ireo no hiadidy ny fanaka rehetra ao amin’ny trano lay fihaonana, sy izay rehetra tsy maintsy hiandraiketan’ny zanak’i Israely; izany no hanatanterahany ny fanompoana momba ny Fonenana;


hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra ka hatramin’ny dimampolo taona; dia izay rehetra voatendry hanao fanompoana hahavita raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.