Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 21:4 - Baiboly Katolika

Fa ny tenin’ny mpanjaka nanohitra an’i Jôaba no nahery; ka dia niainga i Jôaba nitety an’i Israely rehetra, ary niverina tao Jerosalema.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy azon’i Joaba nolavina anefa ny tenin’ny mpanjaka; koa niainga izy ka nitety ny Israely rehetra ary tonga tany Jerosalema indray.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Saingy tsy azon’i Jôaba nolavina ny didin’ny mpanjaka; ka niainga ry i Jôaba nitety an’i Israely manontolo, ary niverina tao Jerosalema.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Saingy tsy azon’i Jôaba nolavina ny didin’ny mpanjaka; ka niainga ry i Jôaba nitety an’i Israely manontolo, ary niverina tao Jerosalema.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa tsy azon’i Joaba nolavina ny tenin’ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa tsy azon'i Joaba nolavina ny tenin'ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy azon’i Joaba nolavina anefa ny tenin’ny mpanjaka; koa niainga izy ka nitety ny Israely rehetra ary tonga tany Jerosalema indray.

Jereo ny toko



1Tantara 21:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ny navalin’i Jôaba: «Hotongavin’i Iaveh injato toy izao anie ny hamaroan’ny vahoakany! Ary moa tsy mpanompon’ny tompoko va izy ireo, ry mpanjaka tompoko? Ka nahoana no dia itadiavan’ny tompoko an’izany? Nahoana no dia hitarika fahotana ho amin’i Israely?»


Natolotr’i Jôaba an’i Davida ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy 1.100.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Israely rehetra, ary 470.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Jodà.


Natahotra an’Andriamanitra anefa ireo mpampivelona, ka tsy narahiny ny tenin’ny mpanjakan’i Ejipta, fa navelany ho velona ihany ny zazalahy.


Manan-kery tsy toha ny tenin’ny mpanjaka, ka iza no hanao aminy hoe: Inona ity ataonao?


Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe: «Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona.