Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 21:30 - Baiboly Katolika

Tsy tohan’i Davida anefa ny nankeo anoloan’izany ôtely izany, hanaja an’Andriamanitra, fa raiki-tahotra izy, noho ny sabatr’ilay Anjelin’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

nefa tsy nahazo nankeo anoloan’izany hanontany amin’Andriamanitra i Davida; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr’ilay Anjelin’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

nefa tsy afaka nankany i Davida mba hanontany an’Andriamanitra, satria natahorany loatra ny sabatr’ilay anjelin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

nefa tsy afaka nankany i Davida mba hanontany an’Andriamanitra, satria natahorany loatra ny sabatr’ilay anjelin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan’izany hanontany amin’Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr’Ilay Anjelin’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan'izany hanontany amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

nefa tsy nahazo nankeo anoloan’izany hanontany amin’Andriamanitra i Davida; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr’ilay Anjelin’NY TOMPO.

Jereo ny toko



1Tantara 21:30
16 Rohy Ifampitohizana  

Natahotra an’i Iaveh i Davida tamin’izany andro izany, ka hoy izy: «Hanao ahoana ny hankanesan’ny Fiaran’i Iaveh any amiko?»


Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izay andro izay, ka nanao hoe: «Hataoko ahoana no fampiditra ny fiaran’Andriamanitra ho ao amiko?»


Nony natopin’i Davida ny masony, dia hitany ilay Anjelin’i Iaveh teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra, nitan-tsabatra voatsoaka natondrony nanandrify an’i Jerosalema. Niankohoka i Davida sy ny loholona, sady nitafy lasàka izy ireo.


Ilay tabernaklan’i Iaveh nataon’i Môizy tany an’efitra sy ny ôtelin’ny sorona dorana, dia teo amin’ny fitoerana avo tany Gabaôna fahizay.


Ary hoy i Davida: «Eto no ho tranon’i Iaveh Andriamanitra, eto no ho ôtely fanaovan’i Israely sorona dorana.»


Esory tsy hitambesatra amiko ny tananao, ary aoka tsy hampivadi-po ahy ny fampitahoranao.


Raha mihevitra izany aho, dia mihoron-koditra, ary tera-kovitra ny nofoko.


Izany no mampitebiteby ahy eo anatrehany; rehefa mihevitra izany aho, dia matahotra Azy.


Mangovitra noho ny tahotra ny nofoko eo anatrehanao, ary matahotra ny fitsarànao aho.


Zovy no mahafantatra ny herin’ny fahatezeranao, ary ny fahaviniranao, araka ny fahatahorana mendrika hatao Anao?


Zovy no tsy hatahotra Anao; ry mpanjakan’ny firenena ô, Ianao tsy maintsy atahorana. Fa amin’ny hendry rehetra eo amin’ny firenena, sy eo amin’ny fanjakany rehetra, tsy misy tahaka Anao.


Tsy hatahotra Ahy va ianareo, - teny marin’i Iaveh; tsy hangovitra eo anatrehako va ianareo? Izaho no nanao ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fefy mandrakizay tsy hihoarany! Mitopatopa ny onjany, fa tsy afaka izy; mirohondròhona izy, fa tsy afa-mihoatra azy.


Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny mba hatahoranao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra, sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao an’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra;


Vao nahita Azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty; fa nanendry ahy tamin’ny tanany havanana Izy, ka nanao hoe: «Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona;


Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao. Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsarànao!»