Toy izany koa i Sadaoka mpisorona, mbamin’ireo mpisorona rahalahiny, teo anoloan’ny Fonenan’i Iaveh teo amin’ny fitoerana avo tao Gabaôna,
1Tantara 21:29 - Baiboly Katolika Ilay tabernaklan’i Iaveh nataon’i Môizy tany an’efitra sy ny ôtelin’ny sorona dorana, dia teo amin’ny fitoerana avo tany Gabaôna fahizay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny tabernakelin’NY TOMPO izay nataon’i Mosesy tany an-tany efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia teo amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona tamin’izany fotoana izany; DIEM PROTESTANTA Tamin’izay ny tranolain’ny TOMPO (tranolay nataon’i Mosesy tany an-taniefitra) sy ny alitara fanolorana sorona dorana manontolo dia teo amin’ny Toeramasina tao Gibehôna; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay ny tranolain’ny TOMPO (tranolay nataon’i Mosesy tany an-taniefitra) sy ny alitara fanolorana sorona dorana manontolo dia teo amin’ny Toeramasina tao Gibehôna; Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny tabernakelin’i Jehvoah izay nataon’i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin’ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay; Malagasy Bible Fa ny tabernakelin'i Jehovah izay nataon'i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay; La Bible en Malgache Fa ny tabernakelin’NY TOMPO izay nataon’i Mosesy tany an-tany efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia teo amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona tamin’izany fotoana izany; |
Toy izany koa i Sadaoka mpisorona, mbamin’ireo mpisorona rahalahiny, teo anoloan’ny Fonenan’i Iaveh teo amin’ny fitoerana avo tao Gabaôna,
Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Davida fa nihaino azy i Iaveh tao amin’ny famoloan’i Ornàna Jeboseanina, dia nanatitra sorona tao izy.
Tsy tohan’i Davida anefa ny nankeo anoloan’izany ôtely izany, hanaja an’Andriamanitra, fa raiki-tahotra izy, noho ny sabatr’ilay Anjelin’i Iaveh.
Avy tao amin’ny fitoerana avo tao Gabaôna sy tao amin’ny trano lay fihaonana i Salômôna, dia nody tany Jerosalema, ary nanjaka tamin’i Israely.
Ka niara-niakatra tamin’ny fiangonana rehetra i Salômôna ho any amin’ny fitoerana avo any Gabaôna. Fa tao ny trano lay fihaonan’Andriamanitra nataon’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, tany an’efitra;