fa tsy haka amin’izay rehetra mety ho anao, hatramin’ny singan-taretra ka hatramin’ny hoditra fehin-kapa, mba tsy hilazanao hoe: ‹Izaho no nampanan-karena an’i Abrama.› »
1Tantara 21:24 - Baiboly Katolika Fa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornàna: «Tsia, fa tiako hovidina vola araka izay tena vidiny marina, fa tsy haka ny anao ho an’i Iaveh aho, na hanatitra sorona dorana azoko maina.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornana: Tsia, fa hovidiko tokoa araka izay tokony ho vidiny; fa tsy haka izay anao ho an’NY TOMPO aho ary tsy hanolotra fanatitra dorana manontolo amin’izay azoko maimaimpoana. DIEM PROTESTANTA Hoy kosa i Davida mpanjaka tamin’i Araonà; –Tsia, fa hovidiko mihitsy ny tokotany, araka ny tena vidiny haloa vola; fa tsy izay anao no halaiko ho an’ny TOMPO ary tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy kosa i Davida mpanjaka tamin’i Araonà; –Tsia, fa hovidiko mihitsy ny tokotany, araka ny tena vidiny haloa vola; fa tsy izay anao no halaiko ho an’ny TOMPO ary tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Davida mpanjaka tamin’i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an’i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin’izay azoko fotsiny. Malagasy Bible Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an'i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin'izay azoko fotsiny. La Bible en Malgache Nefa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornana: Tsia, fa hovidiko tokoa araka izay tokony ho vidiny; fa tsy haka izay anao ho an’NY TOMPO aho ary tsy hanolotra fanatitra dorana manontolo amin’izay azoko maimaimpoana. |
fa tsy haka amin’izay rehetra mety ho anao, hatramin’ny singan-taretra ka hatramin’ny hoditra fehin-kapa, mba tsy hilazanao hoe: ‹Izaho no nampanan-karena an’i Abrama.› »
ka niteny tamin’i Efrôna teo anatrehan’ny vahoaka tompon-tany hoe: «Aoka ihany re mba hohenoinao aho: ‹Omeko ny vidin’ny saha, ka mba raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko.› »
mba hafoiny ho ahy ny zohy ao Makpelà, izay azy, eo amin’ny sisin-tsahany, mba hafoiny ho ahy eto anatrehanareo, araka izay tokom-bidiny, hataoko tany fandevenana, tena ahy tokoa.»
Fa hoy ny mpanjaka tamin’i Areonà: «Tsia, fa tiako hovidina vola ihany aminao ireo, fa tsy hanatitra sorona dorana azoko maimaim-poana ho an’i Iaveh Andriamanitro aho.» Dia volafotsy 50 sikla no nividianan’i Davida ny famoloana sy ny omby.
Ary hoy i Ornàna tamin’i Davida: «Ento ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay heveriny ho tsara: Indreto ny omby hatao sorona dorana, ny rambaramba hatao kitay, ary ny varimbazaha hatao fanatitra, ka omeko avokoa izany.»
Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa.