Dia tonga tao amin’i Davida i Gada tamin’izay andro izay, ka nanao taminy hoe: «Miakara ary manangàna ôtely ho an’i Iaveh any am-pamoloan’i Areonà Jeboseanina.»
1Tantara 21:18 - Baiboly Katolika Dia nasain’ilay Anjelin’i Iaveh nilazan’i Gada i Davida hiakatra hanangana ôtely ho an’i Iaveh, ao am-pamoloan’i Ornàna Jeboseanina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nasain’ilay Anjelin’NY TOMPO hilaza amin’i Davida i Gada mba hiakatra hanorina alitara ho an’NY TOMPO ao amin’ny famoloan’i Ornana jebosita. DIEM PROTESTANTA Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Gada: –Lazao i Davida mba hiakarany hanangana alitara ho an’ny TOMPO eo amin’ny famoloan’i Araonà izay Jebosita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Gada: –Lazao i Davida mba hiakarany hanangana alitara ho an’ny TOMPO eo amin’ny famoloan’i Araonà izay Jebosita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Gada nasain’Ilay Anjelin’i Jehovah hilaza amin’i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an’i Jehovah ao amin’ny famoloan’i Araona Jebosita. Malagasy Bible Ary Gada nasain'Ilay Anjelin'i Jehovah hilaza amin'i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita. La Bible en Malgache Ary nasain’ilay Anjelin’NY TOMPO* hilaza amin’i Davida i Gada mba hiakatra hanorina alitara ho an’NY TOMPO ao amin’ny famoloan’i Ornana jebosita. |
Dia tonga tao amin’i Davida i Gada tamin’izay andro izay, ka nanao taminy hoe: «Miakara ary manangàna ôtely ho an’i Iaveh any am-pamoloan’i Areonà Jeboseanina.»
Ary naniraka Anjely anankiray Andriamanitra hankany Jerosalema handrava azy; kanjo nony nandrava teo io, nijery i Iaveh, ka nanenenany izany loza izany, dia hoy Izy tamin’ilay Anjely nandrava: «Aoka izay! Avonkino amin’izay ny tananao.» Teo akaikin’ny famoloan’i Ornàna Jeboseanina ilay Anjelin’i Iaveh tamin’izay.
Ary hoy i Davida: «Eto no ho tranon’i Iaveh Andriamanitra, eto no ho ôtely fanaovan’i Israely sorona dorana.»
Dia natombok’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’i Iaveh tao Jerosalema, amin’ny tendrombohitra Moria, izay efa natoro an’i Davida rainy, dia amin’ny toerana efa voaoman’i Davida teo amin’ny famoloan’i Ornàna, Jebôseanina.