Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak’i Makira zanak’i Manase izay teraka ka noraisin’i Josefa teo am-pofoany.
1Tantara 2:21 - Baiboly Katolika Manaraka izany, niray tamin’ny zanaka vavin’i Makira, rain’i Galaada, i Hesrôna; efa enimpolo taona izy vao naka azy, ary niteraka an’i Segoba taminy, ravehivavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tatỳ aoriana dia niray tamin’ny zanakavavin’i Makira, rain’i Gileada, i Hezrona. Enimpolo taona izy raha naka azy ho vady; ary niteraka an’i Segoba taminy Ravehivavy; DIEM PROTESTANTA Ary rehefa feno enimpolo taona i Hetsirôna, dia nalainy ho vady ny zanakavavin’i Makira rain’i Gilehada ka niterahany an’i Segoba. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa feno enimpolo taona i Hetsirôna, dia nalainy ho vady ny zanakavavin’i Makira rain’i Gilehada ka niterahany an’i Segoba. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin’ny zanakavavin’i Makira, rain’i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an’i Segoba taminy ravehivavy; Malagasy Bible Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin'ny zanakavavin'i Makira, rain'i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an'i Segoba taminy ravehivavy; La Bible en Malgache Tatỳ aoriana dia niray tamin’ny zanakavavin’i Makira, rain’i Gileada, i Hezrona. Enimpolo taona izy raha naka azy ho vady; ary niteraka an’i Segoba taminy Ravehivavy; |
Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak’i Makira zanak’i Manase izay teraka ka noraisin’i Josefa teo am-pofoany.
Zanaka lahin’i Manase: i Esriela. Ilay Sirianina vaditsindranony, niteraka an’i Makira, rain’i Galaada.
Zanak’i Manase: ny fokon’ny Makirita avy tamin’i Makira, ary i Makira niteraka an’i Galaada, ny fokon’ny Galaadita avy tamin’i Galaada.
Tamin’izay tonga ny zanakavavin’i Salfaada, zanak’i Hefera, zanak’i Galaada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Josefa; ny anaran’izy ireo dia izao: Maalà, Nôà, Heglà, ary Tersà.
Dia nandroso i Jaïra zanak’i Manase, ka nahafaka ny zana-bohiny izay nantsoiny hoe Zanabohitr’i Jaïra.