I Amasà no notendren’i Absalôma ho filohan’ny tafika solon’i Jôaba. I Amasà dia zanaky ny lehilahy anankiray atao hoe Jetrà, Ismaelita, izay nandeha tamin’i Abigaila, zanaka vavin’i Naasa, rahavavin’i Sarvià, renin’i Jôaba.
1Tantara 2:17 - Baiboly Katolika I Abigaila niteraka an’i Amasà, ary ny rain’i Amasà dia i Jetera, Ismaelita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary i Abigaila no niteraka an’i Amasa; ary i Jitira ismaelita no rain’i Amasa. DIEM PROTESTANTA Ary i Abigaîla no reny niteraka an’i Hamasà, ka i Jetera izay Jismahelita no rainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Abigaîla no reny niteraka an’i Hamasà, ka i Jetera izay Jismahelita no rainy. Baiboly Protestanta Malagasy ary Abigaila niteraka an’i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain’i Amasa. Malagasy Bible ary Abigaila niteraka an'i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain'i Amasa. La Bible en Malgache ary i Abigaila no niteraka an’i Amasa; ary i Jitira ismaelita no rain’i Amasa. |
I Amasà no notendren’i Absalôma ho filohan’ny tafika solon’i Jôaba. I Amasà dia zanaky ny lehilahy anankiray atao hoe Jetrà, Ismaelita, izay nandeha tamin’i Abigaila, zanaka vavin’i Naasa, rahavavin’i Sarvià, renin’i Jôaba.
Ianareo no rahalahiko, ianareo no taolako ama-nofoko, ka nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ny fampodiana ny mpanjaka?
Hatsingerin’i Iaveh eo an-dohany ihany ny rany, fa olona roa lahy, marina sy tsara noho izy, no nasainy sy novonoiny tamin’ny sabatra, nefa tsy fantatr’i Davida raiko izany, dia i Abnera zanak’i Nera, filohan’ny tafik’i Israely, sy i Amasà, zanak’i Jetera, filohan’ny tafik’i Jodà.
Ary fantatrao ihany ny nataon’i Jôaba zanak’i Sarvià tamiko, dia ilay nataony tamin’izy roa lahy, i Abnera zanak’i Nera, sy i Amasà zanak’i Jetera, filohan’ny tafik’i Israely, fa novonoiny ireo, ka ny ra fandatsaka amin’ny ady, nalatsany amin’izao tany mandry izao, ary ny ra fandatsaka amin’ny ady dia nataony tamin’ny fehikibo teny am-balahany sy tamin’ny kapa teny amin’ny tongony!
Ary i Amasaì, lehiben’ny telopolo lahy, dia nosaronan’ny Fanahy, ka nanao hoe: «Anao izahay, ry Davida, ary momba anao, ry zanak’i Isaia! Fiadanana, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’izay manampy anao.» Dia noraisin’i Davida izy ireo, ary nomeny toerana tamin’ny lehiben’ny antokon’ny miaramila.
Ny anabavin’ireo dia i Sarvià sy i Abigaila. Zanak’i Sarvià: i Abisaia, i Jôaba, i Asaela, telo lahy.
I Kaleba zanak’i Esrôna, niteraka tamin’i Azobà vadiny, sy tamin’i Jeriôta. Indreto ny zanany lahy naterak’i Azobà taminy: i Jazera, i Sôbata, sy i Ardôna.