Kanjo vaky nandositra teo anoloan’i Israely ny Sirianina, ka matin’i Davida ny an-kalesy 700, sy an-tsoavaly 40.000 tamin’izy ireo; nasiany koa i Sobàka lehiben’ny tafik’izy ireo, ka maty teo izy.
1Tantara 19:18 - Baiboly Katolika Ka matin’i Davida ny soavaly tamin’ny kalesy 7.000 ary ny miaramila an-tongotra 40.000, tamin’ny Sirianina; matiny mbamin’i Sôfàka, komandin’ny tafika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa vaky nandositra teo anoloan’ny Israely ny Arameana ka nahafaty fito arivo teo amin’ny kalesy fitondrany miady sy miaramila mandeha an-tongotra efatra alina tamin’ny Arameana i Davida; ary matiny koa i Sobaka, lehiben’ny miaramila. DIEM PROTESTANTA kanjo vaky nandositra teo anoloan’ny Israelita ireo ka nahafatesan-dry i Davida 7 000 olona tao an-kalesy 7 000 sy miaramila an-tongotra 40 000; sady matiny koa i Sôfàka filohan-tafika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara kanjo vaky nandositra teo anoloan’ny Israelita ireo ka nahafatesan-dry i Davida 7 000 olona tao an-kalesy 7 000 sy miaramila an-tongotra 40 000; sady matiny koa i Sôfàka filohan-tafika. Baiboly Protestanta Malagasy Fa vaky nandositra teo anoloan’ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin’ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin’ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin’ny miaramila. Malagasy Bible Fa vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin'ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin'ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin'ny miaramila. La Bible en Malgache Fa vaky nandositra teo anoloan’ny Israely ny Arameana ka nahafaty fito arivo teo amin’ny kalesy fitondrany miady sy miaramila mandeha an-tongotra efatra alina tamin’ny Arameana i Davida; ary matiny koa i Sobaka, lehiben’ny miaramila. |
Kanjo vaky nandositra teo anoloan’i Israely ny Sirianina, ka matin’i Davida ny an-kalesy 700, sy an-tsoavaly 40.000 tamin’izy ireo; nasiany koa i Sobàka lehiben’ny tafik’izy ireo, ka maty teo izy.
Vao nandre izany vaovao izany i Davida dia namory an’i Israely rehetra ka nita an’i Jordany, nandroso hitsena azy sy nandahatra ny hamelezana azy ireo; ary nandahatra ny tafiny hiady amin’ny Sirianina i Davida. Izy ireo no nanomboka ny ady taminy, kanjo vaky nandositra teo anoloan’i Israely ny Sirianina.
Nony hitan’ireo tompomenakelin’i Adarezera fa resy eo anatrehan’i Israely izy, dia nanao fanekem-pihavanana tamin’i Davida izy ireo, ka tonga mpanompony. Ary tsy nety namonjy ny taranak’i Amôna intsony ny Sirianina.
Fa iza moa no Andriamanitra afa-tsy i Iaveh ihany? ary zovy no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika?
Tsy ny hamaroan’ny miaramilany no ahazoan’ny mpanjaka fandresena; tsy ny heriny lehibe no ahombiazan’ny mpiady;
Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany!