Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 19:18 - DIEM PROTESTANTA

18 kanjo vaky nandositra teo anoloan’ny Israelita ireo ka nahafatesan-dry i Davida 7 000 olona tao an-kalesy 7 000 sy miaramila an-tongotra 40 000; sady matiny koa i Sôfàka filohan-tafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Fa vaky nandositra teo anoloan’ny Israely ny Arameana ka nahafaty fito arivo teo amin’ny kalesy fitondrany miady sy miaramila mandeha an-tongotra efatra alina tamin’ny Arameana i Davida; ary matiny koa i Sobaka, lehiben’ny miaramila.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 kanjo vaky nandositra teo anoloan’ny Israelita ireo ka nahafatesan-dry i Davida 7 000 olona tao an-kalesy 7 000 sy miaramila an-tongotra 40 000; sady matiny koa i Sôfàka filohan-tafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ka matin’i Davida ny soavaly tamin’ny kalesy 7.000 ary ny miaramila an-tongotra 40.000, tamin’ny Sirianina; matiny mbamin’i Sôfàka, komandin’ny tafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Fa vaky nandositra teo anoloan’ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin’ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin’ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin’ny miaramila.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Fa vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin'ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin'ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin'ny miaramila.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Fa vaky nandositra teo anoloan’ny Israely ny Arameana ka nahafaty fito arivo teo amin’ny kalesy fitondrany miady sy miaramila mandeha an-tongotra efatra alina tamin’ny Arameana i Davida; ary matiny koa i Sobaka, lehiben’ny miaramila.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 19:18
7 Rohy Ifampitohizana  

Vaky nandositra teo anoloan’ny Israelita ireo Sirianina, ka nahafatesan-dry i Davida olona tao an-kalesy fitonjato sy mpitaingin-tsoavaly 40 000. Naratrany koa i Sôbàka filohan-tafika, ka maty teo.


Nambara tamin’i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia niampita an’i Jôrdàna, ary tonga teo akaikin’ny Sirianina ka nilahatra hiady aminy. Vao nalahatr’i Davida hiady amin’ny Sirianina ny miaramilany, dia namely azy ny Sirianina;


Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan’ny Israelita ireo mpanjaka nanoa an’i Hadadehezera, dia nandrindra fihavanana tamin’i Davida ka nanoa azy. Ary tsy nety hamonjy ny Hamônita intsony ny Sirianina.


Fa iza moa no Andriamanitra afa-tsy ny TOMPO ihany? Ary iza no vatolampy ho anay afa-tsy ilay Andriamanitray?


Raha handresy amin’ny ady ny mpanjaka, dia tsy noho ny hamaroan’ny miaramilany; ary raha afa-doza ny mpiady, dia tsy noho ny haben’ny heriny.


Hoy ny Tompo hoe: «Tapitra hatreo ny ady; ka ekeo fa Izaho no Andriamanitra, voasandratra hanerinerina amin’ireo firenena, voasandratra hanerinerina amin’ny tany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra