Ianao dia handeha ho any amin’ny razanao amim-piadanana; ho tratra antitra tsara ianao vao halevina.
1Tantara 17:11 - Baiboly Katolika Rahatrizay tapitra ny andronao, ka ho lasa any amin’ny razanao ianao, dia hasandratro ny taranakao mandimby anao, iray amin’ny terakao, ary hohamafisiko ny fanjakany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin’ny razanao ianao dia hatsangako handimby anao ny iray amin’ny taranakao, izay isan’ny terakao, ary hampitoeriko mafy ny fanjakany. DIEM PROTESTANTA Ary rehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin’ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny anankiray amin’ireo zanakalahy naterakao ka haoriko mafy ny fanjakany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin’ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny anankiray amin’ireo zanakalahy naterakao ka haoriko mafy ny fanjakany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin’ny razanao hianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan’ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany; Malagasy Bible Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan'ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany; La Bible en Malgache Ary rehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin’ny razanao ianao dia hatsangako handimby anao ny iray amin’ny taranakao, izay isan’ny terakao, ary hampitoeriko mafy ny fanjakany. |
Ianao dia handeha ho any amin’ny razanao amim-piadanana; ho tratra antitra tsara ianao vao halevina.
Fa raha tsy izany, rehefa mody amin’ny razany ny mpanjaka tompoko, dia hatao olo-meloka izaho sy i Salômôna zanako.»
Saingy tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao lahy, izay naloaky ny kibonao, no hanao ny trano ho an’ny Anarako.
Ary notanterahin’i Iaveh ny teny efa nolazainy, fa nisandratra handimby an’i Davida raiko aho, ary nipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely, araka ny efa voalazan’i Iaveh ary nanao ny trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
dia toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara tamin’i Israely vahoakako. Naetriko avokoa ny fahavalonao rehetra, ary milaza aminao mialoha Aho, fa hananganan’i Iaveh trano ianao.
Tamin’ny zanako rehetra kosa, - fa nomen’i Iaveh zanaka maro aho, - i Salômôna zanako no nofidiny, mba hampipetraka azy amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Iaveh amin’i Israely.
Ka izahay dia vahiny sy voanjo ihany eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra; ary ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka ihany, ka tsy misy azo antenaina.
Efa tratra antitra tsara sady voky andro sy harena amam-boninahitra izy vao maty, ary i Salômôna zanany no nanjaka nandimby azy.
Tsy ianao anefa no hanao ny trano, fa ny zanakao naloaky ny kibonao no hanao ny trano ho an’ny Anarako.›
I Iaveh nianiana marina tamin’i Davida, ka tsy hitsoaka amin’izany: Ny ateraky ny kibonao, no hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao.
fa te hampiorina mafy mandrakizay ny taranakao Aho, sy hanamafy ny seza fiandriananao, hatramin’ny taranaka rehetra.» - Selà
Fa izao no lazain’i Iaveh: I Davida tsy ho diso zanaka lahy na oviana na oviana hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny taranak’i Israely.
Raha i Davida aloha, dia nody mandry izy rehefa nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny androny, ka nakambana tamin’ny razany, sy tratry ny lo;
Ry hava-malala, aoka holazaiko marimarina aminareo fa ny amin’i Davida razantsika dia efa maty izy ka nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany.
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro efa ho tafandriana any amin’ny razanao ianao, ary ity vahoaka ity hitsangana hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa any amin’ny tany efa hidirany. Handao Ahy izy ary hivadika ny fanekena nataoko taminy.