Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 16:9 - Baiboly Katolika

Manaova hira fanajana Azy, mihirà Salamo fanajana Azy. Torio ny fahagagana rehetra nataony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mihirà ho Azy, mankalazà Azy! Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mihirà ho Azy ary mankalazà Azy amin-java-maneno; tantarao ny asa mahagaga rehetra nataony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mihirà ho Azy ary mankalazà Azy amin-java-maneno; tantarao ny asa mahagaga rehetra nataony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mihirà ho Azy, mankalazà Azy! Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony!

Jereo ny toko



1Tantara 16:9
16 Rohy Ifampitohizana  

Ataovy rehareha ny Anarany masina, aoka ho faly ny fon’izay mitady an’i Iaveh.


Ambarao amin’ny firenena ny voninahiny ary amin’ny vahoaka rehetra ny fahagagany.


«Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany, ampahafantaro ny firenena ny zava-dehibe nataony.


Koa ny mankalaza ny asany aloha no aoka hoheverinao, fa ambentin-kiran’ny olona ny fankalazana an’izany.


mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.


Hitory ny fahamarinanao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; tsy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô!


Ry Andriamanitra, nampianarinao hatry ny fony mbola tanora aho ary mitory ny fahagaganao, mandraka ankehitriny!


Tamin’izany, izay natahotra an’Andriamanitra, dia samy miresaka tamin’ny namany avy. Ary i Iaveh kosa nihaino, ka nahare Izy; ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany, ho an’ireo matahotra an’i Iaveh sy manaja ny Anarany.


Ary rehefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitry ny Oliva.


Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo.


Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.


Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana.