Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 16:27 - Baiboly Katolika

fiandrianana amam-pamirapiratana no eo anatrehan’ny Tavany, ary hery aman-kafaliana no eo amin’ny fonenany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, hery sy hafaliana no ao amin’ny fitoerany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy, ary hery sy fifaliana no mameno ny fonenany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy, ary hery sy fifaliana no mameno ny fonenany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin’ny fitoerany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, hery sy hafaliana no ao amin’ny fitoerany.

Jereo ny toko



1Tantara 16:27
12 Rohy Ifampitohizana  

fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia sampy. Ary i Iaveh no nanao ny lanitra;


Omeo an’i Iaveh, ry fianakaviam-pirenena, omeo an’i Iaveh ny voninahitra sy ny fahefana;


Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo: «Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina ity andro ity ho an’ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’i Iaveh no herinareo.»


Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.


Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitienina . Tononkiran’i Davida.


Manoloana Azy ny famirapiratana amam-pahalehibeazana; ao amin’ny fitoerany masina ny hery amam-piandrianana.


Tao anatiny sy tao amin’ny manodidina dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy, hatramin’izay niseho ho tahaka ny valahany no ho miakatra; ary hatramin’izay niseho ho toa valahany no ho midina kosa dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy, ary nisy famirapiratana manodidina azy.


Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.