naman’ireo ny rahalahiny, amin’ny ambaratonga faharoa: i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Banaiasa, i Maasiasa, i Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, ary i Jehiela, mpiandry varavarana.
1Tantara 15:21 - Baiboly Katolika I Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, i Jehiela ary i Ozazio, nanana harpa amin’ny «octave», hitari-kira. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Matitia, i Elifeleho, i Mikneia, i Obeda-Edoma, i Jeiela ary i Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin’ny seminita ho fitarihana ny hira. DIEM PROTESTANTA i Matitià sy i Elifalà, i Mikneià sy i Hôbeda-Edôma ary i Jehiela sy i Hazazià kosa no nitendry tamin’ny lokanga ireo gadom-peo ambany mba hanaingàn-kira. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Matitià sy i Elifalà, i Mikneià sy i Hôbeda-Edôma ary i Jehiela sy i Hazazià kosa no nitendry tamin’ny lokanga ireo gadom-peo ambany mba hanaingàn-kira. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin’ny Seminita ho mpitarika. Malagasy Bible Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin'ny Seminita ho mpitarika. La Bible en Malgache I Matitia, i Elifeleho, i Mikneia, i Obeda-Edoma, i Jeiela ary i Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin’ny seminita ho fitarihana ny hira. |
naman’ireo ny rahalahiny, amin’ny ambaratonga faharoa: i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Banaiasa, i Maasiasa, i Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, ary i Jehiela, mpiandry varavarana.
I Koneniasa, lehiben’ny Levita momba ny fitondrana ny fanaka no nitarika ny fitondrana, fa nahay izany izy.
dia i Asafa filohany, i Zakaria faharoa, dia i Jahiela, i Semiramôta, i Jehiela, i Matatiasa, i Eliaba, i Banaiasa, i Obededôma ary i Jehiela, izay nanan-java-maneno, lokanga, harpa, ary i Asà nampaneno ny kipantsona,
Manaraka izany ho tonga ao Gabaàn’Andriamanitra ianao, izay misy miaramila Filistinina mpiambina. Rehefa miditra ao an-tanàna, hifanena amin’ny mpaminany maro, andiany iray, midina avy any amin’ny fitoerana avo, ialohan’ny lokanga, ampongatapaka, sodina, valiha, sady maminany.