i Davida sy i Israely rehetra nandihy araka izay tratra teo anatrehan’Andriamanitra; sady nihira niaraka tamin’ny harpa aman-dokanga sy amponga tapaka, sy kipantsona aman’anjomara.
1Tantara 15:19 - Baiboly Katolika I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpihira, dia nitondra kipantsona varahina, hampanenoina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Hemana sy i Asafa ary i Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina. DIEM PROTESTANTA I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpiventy hira dia nively ny kipantsona varahina; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpiventy hira dia nively ny kipantsona varahina; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina. Malagasy Bible Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina. La Bible en Malgache I Hemana sy i Asafa ary i Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina. |
i Davida sy i Israely rehetra nandihy araka izay tratra teo anatrehan’Andriamanitra; sady nihira niaraka tamin’ny harpa aman-dokanga sy amponga tapaka, sy kipantsona aman’anjomara.
Nasain’i Davida notendren’ny lehiben’ny Levita ny rahalahiny mpihira miaraka amin’ny zava-maneno, dia ny valiha, ny harpa, ny kipantsona, hampaneno azy amin’ny feo mikarantsana sy maneho hafaliana.
naman’ireo ny rahalahiny, amin’ny ambaratonga faharoa: i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Banaiasa, i Maasiasa, i Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, ary i Jehiela, mpiandry varavarana.
I Zakaria, i Oziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Maasiasa, ary i Banaiasa nanana valiha alamota.
Niaraka tamin’ireo, dia niaraka tamin’i Hemàna sy i Iditona, dia nisy anjomara aman-kipantsona ho an’ireo tsy maintsy mampaneno azy, mbamin’ny zava-maneno hampiarahina amin’ny hiran’Andriamanitra. Ny zanak’i Iditona niadidy ny varavarana.
dia i Asafa filohany, i Zakaria faharoa, dia i Jahiela, i Semiramôta, i Jehiela, i Matatiasa, i Eliaba, i Banaiasa, i Obededôma ary i Jehiela, izay nanan-java-maneno, lokanga, harpa, ary i Asà nampaneno ny kipantsona,
Natokan’i Davida sy ireo komandin’ny tafika, hanaovana ny fanompoana, ny sasany amin’ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Iditona izay naminany tamin’ny harpa aman-dokanga ary kipantsona. Izao no isan’ireo izay manana anjara raharaha amin’ny fanompoana.
Ireo Levita rehetra ireo dia samy notarihin’ny rainy avy, hanao ny hira ao an-tranon’i Iaveh, ka nanana kipantsona sy lokanga ary harpa, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra, eo ambany fifehezan’i Davida sy i Asafa ary i Iditona sy i Hemàna.
Ary ny Levita amin’ny taranak’i Kaata, amin’ny taranak’i Kôre nitsangana, hankalaza an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, tamin’ny feo mahery sy avo.
Ny mpisorona nitsangana tamin’ny fitoerany avy, mbamin’ny Levita koa nitondra ny zava-manenon’i Iaveh izay nataon’i Davida mpanjaka hiderana an’i Iaveh hoe: Fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony, raha mankalaza an’i Iaveh tamin’ny alalan’izy ireo izy. Nitsoka trômpetra tandrifin’ireo, ny mpisorona, ary tafatsangana i Israely rehetra.