Napetrany teo ambony sarety vaovao ny Fiaran’Andriamanitra ary nentiny avy tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana; ka i Ozà sy i Akiaô zanak’i Abinadaba, no nitarika ny sarety vaovao.
1Tantara 15:13 - Baiboly Katolika Fa satria noho ianareo tsy nampiakatra azy tamin’ilay voalohany, no nikapohan’i Iaveh Andriamanitsika antsika, satria tsy nitady azy araka ny lalàna isika.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Satria tsy ianareo no nampiakatra azy tamin’ny voalohany, dia nasian’NY TOMPO Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny fomba tokony harahina. DIEM PROTESTANTA Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika. Baiboly Protestanta Malagasy Satria tsy hianareo no tamin’ilay teo, dia nasian’i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy. Malagasy Bible Satria tsy ianareo no tamin'ilay teo, dia nasian'i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy. La Bible en Malgache Satria tsy ianareo no nampiakatra azy tamin’ny voalohany, dia nasian’NY TOMPO Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny fomba tokony harahina. |
Napetrany teo ambony sarety vaovao ny Fiaran’Andriamanitra ary nentiny avy tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana; ka i Ozà sy i Akiaô zanak’i Abinadaba, no nitarika ny sarety vaovao.
sy hitondrantsika ho atỳ amintsika indray ny fiaran’Andriamanitra, fa tsy nahoantsika akory izany tamin’ny andron’i Saola.»
Hoy i Davida tamin’izay: «Tsy misy afa-tsy ny Levita ihany no hitondra ny Fiaran’Andriamanitra satria ireo no voafidin’i Iaveh hitondra ny fiaran’Andriamanitra sy hanao ny fanompoana momba azy mandrakizay.»
Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.
Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.
Fa tsy nomeny kosa ny taranak’i Kaata, satria ny fanaka masina no anjara fanompoany, ka tsy maintsy lanjainy an-tsoroka.
Midera anareo aho, fa sady mahatsiaro ahy amin’ny zavatra rehetra ianareo no mitana tsara ny fampianarako, araka ny nanomezako azy anareo.
Nosoratan’i Môizy izany lalàna izany, dia natolony tamin’ny mpisorona, taranak’i Levì mpitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, mbamin’ny loholon’i Israely rehetra.