Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 14:9 - Baiboly Katolika

Nony tonga ny Filistinina dia nirotsaka teny amin’ny lohasahan’ny Refaima.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ny lohasahan’ny Refaìta.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia tonga ny Filistinina ka nandroba tao amin’ny lohasahan’ny Refaîta.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia tonga ny Filistinina ka nandroba tao amin’ny lohasahan’ny Refaîta.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ny Lohasahan’ny Refaïta.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ny lohasahan’ny Refaìta.

Jereo ny toko



1Tantara 14:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny Filistinina nitoby tao an-dohasahan’ny Refaima dia nisy telo lahy tamin’ireo Kapiteny 30, nidina nankany amin’i Davida, tao an-johin’i Odolama tamin’ny fotoam-pijinjana.


Nony tonga ny Filistinina dia nihahaka teny amin’ny lohasahan’i Refaima.


Nisy telo lahy tamin’ireo kapiteny telopolo lahy nidina nankany amin’i Davida teo amin’ny vatolampy, tany an-johin’i Odolama, ary ny tobin’ny Filistinina tamin’izay dia tafaorina tao amin’ny lohasahan’i Refaima.


Nanontany an’Andriamanitra i Davida nanao hoe: «Hiakatra hamely ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy?» Ka hoy i Iaveh taminy: «Miakara, ary hatolotro eo an-tananao izy.»


Nirotsaka indray ny Filistinina teny amin’ny lohasaha.


Ren’ny Filistinina fa hoe voahosotra ho mpanjaka amin’i Israely rehetra i Davida; dia niakatra hitady an’i Davida ny Filistinina rehetra. Nahare izany i Davida ka dia nivoaka hanoloana an’ireo izy.


Amin’izany dia ho toy ny raha manangona ny amboarany ny mpijinja, sy raha mitango ny salohim-bary ny tanany; ho tahaka ny raha manangona salohim-bary ny olona, eny amin’ny lohasahan-dRefaima.