Dia nataon’i Davida izay nandidian’Andriamanitra azy, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina, hatrany Gabaôna ka hatrany Gazera izy ireo.
1Tantara 14:17 - Baiboly Katolika Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’i Iaveh natahotra azy ny firenena rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Niely teny amin’ny tany rehetra ny lazan’i Davida; ary nataon’NY TOMPO nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’i Davida. DIEM PROTESTANTA Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’ny TOMPO matahotra an’i Davida ny firenena rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’ny TOMPO matahotra an’i Davida ny firenena rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny lazan’i Davida niely teny amin’ny tany rehetra; ary nataon’i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’i Davida. Malagasy Bible Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida. La Bible en Malgache Niely teny amin’ny tany rehetra ny lazan’i Davida; ary nataon’NY TOMPO nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’i Davida. |
Dia nataon’i Davida izay nandidian’Andriamanitra azy, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina, hatrany Gabaôna ka hatrany Gazera izy ireo.
nomba anao tamin’izay rehetra nalehanao Aho, nandringana ny fahavalonao rehetra teo anoloanao Aho, ary nataoko malaza toy ny anaran’ireo lehibe eto ambonin’ny tany ny anaranao.
Nitondra fanatitra ho an’i Oziasa ny Amônita, ary niely hatrany akaikin’i Ejipta ny lazany, fa tonga nahery indrindra izy.
Manafaka ahy amin’ny fikomian’ny vahoaka Ianao, sady manandratra ahy ho lohan’ny firenen-tsamihafa; vahoaka tsy fantatro avy no manompo ahy koa.
Tsy misy olona hahatoha anareo fa araka ny voalazan’i Iaveh Andriamanitrareo taminareo, dia handatsaka tahotra sy horohoro amin’ny tany rehetra hodiavinareo Izy.
Hatramin’ny anio dia haeliko amin’ny vahoaka rehetra mbamin’ny lanitra ny horohoro aman-tahotra ny anaranareo; ka raha vao mandre ny lazanareo izy dia hangovitra sy hangorohoro noho ny aminao.
Dia izao no navalin’izy ireo an’i Jôsoe: «Nambara tamin’ny mpanomponao ny didy nomen’i Iaveh Andriamanitrao an’i Môizy mpanompony mba hanolotra anareo avokoa ny tany rehetra ary mba handringananareo eo anoloanareo ny mponina rehetra amin’ny tany. Nony mby akaiky ianareo, dia natahotra mafy ny ho faty izahay, ka izany no nanaovanay toy izao.