Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 14:15 - Baiboly Katolika

Ka rehefa mandre fingodongodon’olona any an-tendron’ny balsamie ianao, miroata hiady amin’izay, fa Andriamanitra hivoaka mialoha anao hamely ny tafiky ny Filistinina.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa mandre fingadongadon’olona eny amin’ny tendron’ny hazo balisama ianao dia miaingà amin’izay hiady; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ny Filistina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary rehefa mahare hoatra ny figodongodon’olona eny an-tendron-kazo ianao, dia miaingà amin’izay hiady, satria efa miainga mialoha anao Andriamanitra mba handresy ny tafiky ny Filistinina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary rehefa mahare hoatra ny figodongodon’olona eny an-tendron-kazo ianao, dia miaingà amin’izay hiady, satria efa miainga mialoha anao Andriamanitra mba handresy ny tafiky ny Filistinina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha toa mahare fingadongadon’olona eny amin’ny tendron’ny hazo balsama hianao, dia miaingà amin’izay hiady; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ny Filistina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin'izay hiady; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan'ny Filistina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa mandre fingadongadon’olona eny amin’ny tendron’ny hazo balisama ianao dia miaingà amin’izay hiady; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ny Filistina.

Jereo ny toko



1Tantara 14:15
16 Rohy Ifampitohizana  

Ka nanontany an’i Iaveh i Davida, sy novaliany hoe: «Aza miakatra fa hodidino avy any aoriana izy dia hirotsaka aminy, avy arỳ amin’ny balsamie, ianao,


fa indro Aho hanisy fanahy ao anatiny, izay handrenesany vaovao fotsiny, dia hiverenany any amin’ny taniny, ka hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny izy.»


Fa tao an-tobin’ny Sirianina, dia nampandrenesan’i Iaveh fingodongodon-kalesy, sy fikatrokatro-tsoavaly, ary firodorodo-miaramila betsaka, ka nifampilaza izy ireo nanao hoe: «Injao fa nanamby ny fanjakan’ny Heteanina sy ny mpanjakan’ny Ejiptianina ho tonga hamely antsika ny mpanjakan’i Israely.»


Dia nanontany an’Andriamanitra i Davida, ka hoy Andriamanitra taminy: «Aza miakatra manaraka azy fa mivilia azy, ary hivarina aminy ianao avy eo amin’ny lafiny misy ny balsamie.


Dia nataon’i Davida izay nandidian’Andriamanitra azy, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina, hatrany Gabaôna ka hatrany Gazera izy ireo.


Injany re ny horakoraka any an-tendrombohitra, toa hahohahom-bahoaka be; injany re ny tabataban’ny fanjakana, ny firenena tafavory: i Iavehn’ny tafika izany mampanao matso ireo miaramilany mpiantafika.


Izay ho sisa velona aminareo, hampidirako tebiteby ny fony any amin’ny tanim-pahavalony, ka ny fipikan’ny ravin-kazo iray monja voahetsika, dia ampy hahavaky mandositra azy; handositra toy ny enjehin-tsabatra izy, ary ho lavo tsy misy mpanenjika.


ary tampoka, injay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra mifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany,


fa i Iaveh Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo hamely ny fahavalonareo, ary hamonjy anareo.


Tamin’izay dia hoy i Debôrà tamin’i Baràka: «Mitsangàna, fa anio no andro anoloran’i Iaveh an’i Sisarà ho eo an-tananao. Moa tsy nivoaka teo alohanao va i Iaveh?» Koa nidina avy any an-tendrombohitra Tabôra, i Baràka, ary lehilahy iray alina no nanaraka azy.


Nony ren’i Jedeôna ny filazana ny nofy sy ny heviny, dia niankohoka izy; ka nony tafaverina tany amin’ny tobin’i Israely, dia hoy izy: «Mitsangàna ianareo, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika ny tobin’i Madiàna.»


Tamin’ny alin’izay, dia hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-toby, fa efa natolotro ho eo an-tananao izy.