1Tantara 13:13 - Baiboly Katolika Ka tsy notarihin’i Davida ho ao aminy, ao an-tanànan’i Davida ny fiara, fa nasainy nentina tany an-tranon’i Obededôma, any Geta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia tsy nafindran’i Davida ho ao aminy ao an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny Fanekena fa naviliny ho ao an-tranon’i Obeda-Edoma gatita. DIEM PROTESTANTA Koa tsy nafindran’i Davida ho any aminy, any an-tanànan’i Davida, ny Vatamasina; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gata. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa tsy nafindran’i Davida ho any aminy, any an-tanànan’i Davida, ny Vatamasina; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gata. Baiboly Protestanta Malagasy Dia tsy nafindran’i Davida ho ao aminy ao an-Tanànan’i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon’i Obed-edoma Gatita. Malagasy Bible Dia tsy nafindran'i Davida ho ao aminy ao an-tanànan'i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon'i Obededoma Gatita. La Bible en Malgache Dia tsy nafindran’i Davida ho ao aminy ao an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny Fanekena fa naviliny ho ao an-tranon’i Obeda-Edoma gatita. |
Namory ny olona voafantina rehetra amin’i Israely indray i Davida, dia telo alin-dahy.
Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izay andro izay, ka nanao hoe: «Hataoko ahoana no fampiditra ny fiaran’Andriamanitra ho ao amiko?»
naman’ireo ny rahalahiny, amin’ny ambaratonga faharoa: i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Banaiasa, i Maasiasa, i Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, ary i Jehiela, mpiandry varavarana.
Dia niainga i Davida sy ny loholon’i Israely ary ny tomponarivo, hampiakatra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh tao an-tranon’i Obededôma tamin’ny fifaliana.
dia i Asafa filohany, i Zakaria faharoa, dia i Jahiela, i Semiramôta, i Jehiela, i Matatiasa, i Eliaba, i Banaiasa, i Obededôma ary i Jehiela, izay nanan-java-maneno, lokanga, harpa, ary i Asà nampaneno ny kipantsona,
Zanaka lahin’i Obededôma: i Semeiàsa lahimatoa, i Jôzabada faharoa, i Jôahà fahatelo, i Sakara fahefatra, i Natanaely fahadimy,
Ireo rehetra ireo, dia samy zanak’i Obededôma; 62 izy mbamin’ny zanany aman-drahalahiny no avy amin’i Obededôma, samy lehilahy matanjaka sy be herim-po amin’ny fanompoana.