Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 12:30 - Baiboly Katolika

Tamin’ny taranak’i Efraima, 20.800, samy lehilahy mahery sy malaza any amin’ny fianakavian-drainy avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny taranak’i Efraima dia valonjato sy roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin’ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny taranak’i Benjamîna, mpiray foko amin’i Saoly, dia nisy telo arivo lahy; ka ny ankamaroan’ireo, talohan’izao, dia mpikarakara ny ankohonan’i Saoly.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny taranak’i Benjamîna, mpiray foko amin’i Saoly, dia nisy telo arivo lahy; ka ny ankamaroan’ireo, talohan’izao, dia mpikarakara ny ankohonan’i Saoly.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’ny taranak’i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin’ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny taranak'i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin'ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny taranak’i Efraima dia valonjato sy roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin’ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko



1Tantara 12:30
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary tamin’izany andro izany dia nisy ny Rapeton’olona teto ambonin’ny tany, dia rehefa nankamin’ny zanaka vavin’ny olombelona ny zanak’Andriamanitra, sy efa nahary zaza taminy. Ary ireny no olo-mahery nalaza hatrizay ela izay.


Tamin’izany kosa i Abnera zanak’i Nera, lehiben’ny foloalindahin’i Saola, dia naka an’i Isbôseta, zanak’i Saola, ka rehefa nentiny nankany Mahanaîma izy,


dia natsangany ho mpanjaka amin’i Galaada, amin’ny Asorita, amin’i Zesraela, amin’i Efraima, amin’i Benjamina ary amin’i Israely rehetra.


Ary niresaka tamin’i Benjamina koa i Abnera, ary lasa i Abnera hilaza ho henon’i Davida any Hebrôna izay noheverin’i Israely sy ny taranak’i Benjamina rehetra ho mety.


Avy amin’ny taranak’i Benjamina, rahalahin’i Saola, 3.000 lahy; fa ny ankabeazan’ireo, hatramin’izay, mbola niraiki-po tamin’ny fianakavian’i Saola ihany.


Avy amin’ny antsasa-pokon’i Manase 18.000, voatendry tamin’ny anarany no avy hampanjaka an’i Davida.