Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma
1Tantara 12:23 - Baiboly Katolika Izao no isan’ny lehiben’ny lehilahy hary fiadiana hoenti-miady, tonga nanatona an’i Davida, tany Hebrôna, mba hamindra ny fanjakan’i Saola aminy araka ny didin’i Iaveh: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no isan’ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’i Saoly ho eo am-pelatanany araka ny tenin’NY TOMPO: DIEM PROTESTANTA Isan’andro isan’andro dia nisy olona tonga tany amin’i Davida hanampy azy hany ka nanjary lehibe dia lehibe tokoa ny tafik’i Davida. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Isan’andro isan’andro dia nisy olona tonga tany amin’i Davida hanampy azy hany ka nanjary lehibe dia lehibe tokoa ny tafik’i Davida. Baiboly Protestanta Malagasy ARY izao no isan’ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’i Saoly ho azy araka ny tenin’i Jehovah:– Malagasy Bible Ary izao no isan'ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin'i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan'i Saoly ho azy araka ny tenin'i Jehovah: La Bible en Malgache Izao no isan’ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’i Saoly ho eo am-pelatanany araka ny tenin’NY TOMPO: |
Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma
koa misikìna àry ankehitriny, fa i Iaveh nilaza tamin’i Davida hoe: Amin’ny tanan’i Davida, mpanompoko, no hanafahako an’i Israely vahoakako amin’ny tanan’ny Filistinina, sy amin’ny tanan’ny fahavalony rehetra.»
Tsy nila hevitra tamin’i Iaveh izy, ka dia novonoin’i Iaveh, ary nafindrany amin’i Davida zanak’i Isaia ny fanjakana.
Ireo no lehiben’ny lehilahy mahery izay tao amin’i Davida, ka nanampy azy niaraka tamin’i Israely rehetra nandritra ny andro nanjakany, sady efa nampanjaka azy izy araka ny tenin’i Iaveh ny amin’i Israely.
Tamin’ny taranak’i Jodà, 6.800 lahy mitondra ampinga aman-defona, hary fiadiana mba hiady.
Ka hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Mandra-pahoviana no hitomanianao an’i Saola, kanefa Aho manary azy tsy ho mpanjaka amin’i Israely intsony? Fenoy diloilo ny tandrokao dia mandehana fa irahiko ho any amin’i Isaï any Betlehema ianao, satria amin’ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako».
Ary asao i Isaï amin’ny sorona, fa hampahafantariko anao izay tokony hataonao, dia hohosoranao ho ahy izay hotondroiko aminao.»