Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Samoela 16:3 - Baiboly Katolika

3 Ary asao i Isaï amin’ny sorona, fa hampahafantariko anao izay tokony hataonao, dia hohosoranao ho ahy izay hotondroiko aminao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Dia antsoy i Jese mba ho any amin’ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao ka hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 ary asao amin’izany sorona izany koa i Jisay. Hatoroko anao ihany izay tokony hataonao; ka amin’ny anarako, dia hohosoranao ho mpanjaka ilay hotondroiko aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 ary asao amin’izany sorona izany koa i Jisay. Hatoroko anao ihany izay tokony hataonao; ka amin’ny anarako, dia hohosoranao ho mpanjaka ilay hotondroiko aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary antsoy Jese mba ho any amin’ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary antsoy Jese mba ho any amin'ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.

Jereo ny toko dika mitovy




1Samoela 16:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary nisy olona roan-jato lahy avy any Jerosalema niaraka tamin’i Absalôma, dia olona nasaina izy ireo ka nandeha tamim-pahatsoram-po, fa tsy nahalala na inona na inona.


Rehefa mby any, i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany dia hanosotra azy ho mpanjaka amin’i Israely, ary ianareo hitsoka anjomara sy hilaza hoe: Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!


Dia tonga teo amin’ny mpanjaka, tany Hebrôna, ny loholon’i Israely rehetra, ary i Davida nanao fanekena tamin’izy ireo, teo anatrehan’i Iaveh, tany Hebrôna, ary izy ireo nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely, araka ny tenin’i Iaveh, notononin’i Samoela.


Hiteny aminy ianao sy hanolotra ny teny hambarany; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany, ary haneho aminareo izay tsy maintsy hataonareo.


Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe: «Tompo ô! inona no tianao hataoko?»


«Rahampitso toy izao dia hirahiko atỳ aminao ny lehilahy iray avy amin’ny tanin’i Benjamina, ary hohosoranao izy ho mpanjakan’i Israely oloko, ary hanafaka ny oloko amin’ny tanan’ny Filistinina izy, satria efa nijery ny oloko Aho, fa efa mby atỳ amiko ny fitarainany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra