Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zefania 3:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana izay nitambesatra taminareo; Izy efa nampandositra ny fahavalonareo. Ny TOMPO, mpanjakan’i Israely, no momba anareo ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 NY TOMPO efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao. NY TOMPO, Mpanjakan’ny Israely, no ao aminao; tsy hahita loza intsony ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana izay nitambesatra taminareo; Izy efa nampandositra ny fahavalonareo. Ny TOMPO, mpanjakan’i Israely, no momba anareo ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’i Iaveh, ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao. I Iaveh, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan’ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 NY TOMPO efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao. NY TOMPO, Mpanjakan’ny Israely, no ao aminao; tsy hahita loza intsony ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Zefania 3:15
48 Rohy Ifampitohizana  

Dia bevohòka i Rahely ary tera-dahy ka loa-bolana hoe: –Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.


Hifaly anie ny vahoaka Israely, fa ny Tompo no Mpanao azy; hiravo anie ny terak’i Tsiôna, fa Izy no mpanjakany!


Mahitsy ny fitsipiky ny TOMPO ka mahafaly ny fo. Mangarangarana ny baikon’ny TOMPO ka manazava ny fijery.


Nesorinao ny heloky ny vahoakanao ary navelanao avokoa ny fahotany. Fiatoana


Mifalia sy miravoravoa, ry mponina ao Tsiôna, fa lehibe Ilay eo anivonareo, dia Ilay Masin’i Israely.


Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny ranomaso amin’ny tava rehetra, ary hoesoriny ny fahafaham-baràka nahazo ny vahoakany manerana ny tany. Izany no nampanantenain’ny TOMPO.


Ny TOMPO no ho mpitarika antsika, IZY no ho mpanao lalàna ho antsika; ny TOMPO no ho mpanjakantsika sy ho mpamonjy antsika.


Izany no lalana hiverenan’ireo navotan’ny TOMPO, ka hahatongavany ao Tsiôna amin’ny fihobiana; haravoana mandrakizay no ho eny amin’ny endriny, hafaliana sy haravoana no hanenika azy fa handositra kosa ny alahelo aman-tsento.


Ny Tomponao, ilay TOMPO sady Andriamanitrao, dia mandaha-teny hiaro ny vahoakany ka milaza aminao hoe: «Indro hoesoriko eny an-tananao ilay tsatokaty misy fisotro mahafanina, dia tsatokaty feno ny fahatezerako, ka tsy hisotroanao izany intsony.


Manaova horakora-pifaliana ka redòny ny hiram-pihobiana, ry toerana rava ao Jerosalema, satria efa nampahery ny vahoakany ny TOMPO sady efa nanavotra an’i Jerosalema!


Hitombina mafy amin’ny fahamarinana ianao: hampanalaviriko anao ny famoretana, ka tsy hatahotra na inona na inona intsony ianao; hampanalaviriko anao ny fampihorohoroana, ka tsy hananontanona anao intsony.


Tsy ho re ao amin’ny taninao intsony ny fampahoriana na ao amin’ny faritaninao ny faharavana sy fahasimbana. Fa ny mandanao hantsoinao hoe: «Famonjena»; ary ny vavahadinao hantsoinao hoe: «Fiderana an’Andriamanitra.»


Izaho koa hiravo amin’i Jerosalema sy hifaly amin’ny vahoakako. Fa tsy ho re ao Jerosalema intsony na ny tomany na ny kiakiakam-pitarainana.


Injany! Re hatrany amin’ny faritra lavitra any ny antso vonjy ataon’ny vahoakako hoe: «Tsy ao Tsiôna intsony ve ny TOMPO, ary tsy ao aminy intsony ve ny mpanjakany?» Nahoana moa izy no nahatezitra Ahy tamin’ireo sarivongan-tsampiny, dia ireo zava-poana avy any an-kafa?


«Noho ny nitenenanao hoe: ‹Ndeha halaiko ho fananana ireo firenena roa sy tany roa, dia i Israely sy i Joda izay samy onenan’ny TOMPO›,


Tsy hataoko renareo intsony ary tsy hitambesatra aminareo intsony ny fanarabiana sy sahato ataon’ny firenen-kafa satria tsy hamono ny zanakareo ho faty intsony ny taninareo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany›. »


Ny Fanahiko no hatosako amin’ny Israelita, ka tsy hiafenako tava intsony ireo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Ny manodidina ny tanàna dia mirefy sivy arivo metatra. «Manomboka hatreo ny tanàna dia hantsoina hoe ‹Ny TOMPO no ao›. »


Hamboleko eo amin’ny tany izany nomeko azy izy, ka tsy hongotana hiala eo intsony. Izaho TOMPO Andriamanitrao no efa niteny.»


Hahita izany ny fahavalonay ka ho rakotry ny henatra, dia ireo niteny taminay hoe: «Aiza ihany ny TOMPO Andriamanitrareo?» Ho finaritra izahay hahita azy ireo, fa amin’izay dia ho tonga fanosy toy ny fotaka eny an-dàlana izy.


Fa hanody anareo ny fanimbana ala nataonareo tany Libano; naringanareo ny biby tao, ka biby koa no hampihorohoro anareo. Izany rehetra izany dia ho tonga noho ny olona novonoinareo ho faty sy ny herisetra vitanareo tamin’ny tany dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao.


Eny, efa namabo firenena maro ianareo, ka dia mba hobaboin’ny firenena sisa kosa noho ny olona novonoinareo ho faty sy ny herisetra vitanareo tamin’ny tany, dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao.


Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao; mahery Izy ka hampandresy anao. Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy; ny fitiavany no anavaozany anao; noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy


Kanefa ny TOMPO mpandala fahamarinana no eo afovoan’ny tanàna; ka tsy manao faharatsiana Izy, fa isa-maraina tsy diso no amoahany ny fitsarany. Na izany aza ny ratsy fanahy dia tsy mahalala menatra!


Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko toy ny vongam-bato mavesatra eo anoloan’ny firenena rehetra; ka haratra tokoa izay mitady hanainga izany. Koa ny firenena rehetra ambonin’ny tany hiray no hiady hamely ny tanàna.


Ho azo ipetrahana fahizay ao an-tanàna, fa tsy hisy intsony ny fandravana azy; ary dia handry fahalemana i Jerosalema.


Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna! Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema! Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo; marina sady mandresy Izy, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky, dia boriky tanora zana-borikivavy.


Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely!


«Aza matahotra, ry mponina ao Tsiôna! Indro fa tonga ny Mpanjakanareo mitaingina zana-boriky!»


Nampanao soratra kosa i Pilato, ary nasainy napetaka teo an-dohan’ny hazofijalian’i Jesoa; ka izao no voasoratra: «I Jesoa avy any Nazareta, ilay Mpanjakan’ny Jiosy.»


–Raha Izaho dia tsy mahavita na inona na inona avy amin’ny tenako. Araka izay reko amin’ny Ray no itsarako; ka ara-drariny ny fitsaràko, satria tsy ny sitrapoko no tadiaviko hatao fa ny sitrapon’Ilay naniraka Ahy.


Dia reko nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Tonga izao ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakàn’ilay Andriamanitsika, tonga izao ny fahefàn’ilay Mesiany; satria nazera ilay mpiampanga an’ireo havantsika, dia ilay mpiampanga azy ireo andro aman’alina teo anatrehan’Andriamanitsika.


Mifalia amin’ny manjo an’i Babilôna ianao, ry lanitra, sy ianareo vahoakan’Andriamanitra mbamy ianareo apôstôly sy mpaminany, satria efa nitsara azy Andriamanitra ka nanome rariny anareo!


Ary izao no anarana voasoratra teo amin’ny akanjobe nanarona ny feny: «Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.»


Noho izany, dia mitoetra eo anoloan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra izy ireo ka manompo an’Andriamanitra andro aman’alina ao an-tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana dia hiara-monina aminy ka hiaro azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra