Zakaria 7:3 - DIEM PROTESTANTA3 Ireo no voatendry hanontany ny mpisorona niasa tao amin’ny tranon’ny TOMPOn’izao rehetra izao ary hanontany ny mpaminany hoe: –Mbola hitomany sy hifady hanina amin’ny volana fahadimy toy ny efa fanaonay hatramin’ny ela ihany va izahay? Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20113 ka hiteny amin’ny mpisoron’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, sy amin’ny mpaminany hoe: Hitomany amin’ny volana fahadimy va aho ka hifady hanina toy ny efa fanaoko taona maro teo aloha? Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara3 Ireo no voatendry hanontany ny mpisorona niasa tao amin’ny tranon’ny TOMPOn’izao rehetra izao ary hanontany ny mpaminany hoe: –Mbola hitomany sy hifady hanina amin’ny volana fahadimy toy ny efa fanaonay hatramin’ny ela ihany va izahay? Jereo ny tokoBaiboly Katolika3 hiteny amin’ireo mpisorona ao an-tranon’i Iavehn’ny tafika mbamin’ireo mpaminany hoe: «Tokony hitomany va aho, amin’ny volana fahadimy, sy hanao fifadian-kanina, toy ny efa nataoko hatramin’ny taona maro be?» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy3 ka hiteny amin’ny mpisoron’ny tranon’i Jehovah, Tompon’ny maro, sy amin’ny mpaminany hoe: Hitomany amin’ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin’ny taon-dasa ela? Jereo ny tokoMalagasy Bible3 ka hiteny amin'ny mpisoron'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy amin'ny mpaminany hoe: Hitomany amin'ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin'ny taon-dasa ela? Jereo ny tokoLa Bible en Malgache3 ka hiteny amin’ny mpisoron’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, sy amin’ny mpaminany hoe: Hitomany amin’ny volana fahadimy va aho ka hifady hanina toy ny efa fanaoko taona maro teo aloha? Jereo ny toko |
Aoka hitomany ao an-tempoly ireo mpisorona izay mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO! Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara, no aoka hanaovany izany ka hitenenany hoe: «TOMPO ô, mba iantrao ny vahoakanao, aza avela ho afa-baràka ny olonao na holatsain’ny hafa firenena hoe: ‹Aiza izay Andriamanitrareo?› »