Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 7:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ary tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariôsa, fony andro fahefatry ny volana fahasivy na ny volana Kisleo, no nisy hafatry ny TOMPO tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosy no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO tamin’i Zakaria, tamin’ny andro fahefatra tamin’ny volana fahasivy na Kisleo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariôsa, fony andro fahefatry ny volana fahasivy na ny volana Kisleo, no nisy hafatry ny TOMPO tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosa, tonga tamin’i Zakaria ny tenin’i Iaveh, tamin’ny andro fahefatry ny volana fahasivy, volana Kasleo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosa no nahatongavan’ny tenin’i Jehovah tamin’i Zakaria, tamin’ny andro fahefatra tamin’ny volana fahasivy (Kisleva izany);

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria, tamin'ny andro fahefatra tamin'ny volana fahasivy (Kisleva izany);

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosy no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO tamin’i Zakaria, tamin’ny andro fahefatra tamin’ny volana fahasivy na Kisleo.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 7:1
6 Rohy Ifampitohizana  

Tantara nalahatr’i Nehemià zanakalahin’i Hakalià. Tamin’ny taona faha-roapolo nanjakàn’i Artakserksesa, volana Kisleo, raha tany an-dapa tao Sosany aho,


Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, volana fahasivy, andro faha-24, dia nisy tenin’ny TOMPO indray tamin’ny mpaminany Hagay.


Tamin’io andro io ihany, andro faha-24 amin’y volana fahasivy, dia mbola nisy tenin’ny TOMPO fanindroany tamin’i Hagay.


Tamin’ny volana fahavalon’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Zakarià mpaminany zanakalahin’i Berekià sady zafikelin’i Hidào.


Ary nisy baikon’ny TOMPO tamiko nanao hoe:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra