Zakaria 6:12 - DIEM PROTESTANTA12 avy eo izy dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Indro misy lehilahy atao hoe Itsimoka; fa hitsimoham-piainana izay lalovany, sady izy no hanorina indray ny tempoliko; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro ny Lehilahy atao hoe Rantsana; amin’ny androny dia hitsimoka ny zava-drehetra sady hanao ny tempolin’NY TOMPO izy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 avy eo izy dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Indro misy lehilahy atao hoe Itsimoka; fa hitsimoham-piainana izay lalovany, sady izy no hanorina indray ny tempoliko; Jereo ny tokoBaiboly Katolika12 Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ‹Indro lehilahy anankiray atao hoe Solofo; hitsimoka eo amin’ny fitoerany izy, ka hanao ny tempolin’i Iaveh. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin’i Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible12 dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin'i Jehovah. Jereo ny toko |
Ary tamin’ny volana faharoan’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, dia nisantatra ilay asa i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa zanakalahin’i Jôtsadàka mbamin’ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy sy ny levita ary izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany ka tonga tao Jerosalema. Nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny daholobe mba ho tonian’izao asa amin’ny tranon’ny TOMPO izao;
Ry havako, izao àry no aoka ho fantatrareo: amin’ny alalan’i Jesoa no itoriana famelan-keloka aminareo. Tsy nanafaka ny helokareo velively ny lalànan’i Mosesy ary tsy nahatonga anareo ho olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra; fa ao amin’i Jesoa, izay rehetra mino dia afaka amin’ny heloka rehetra ary tonga olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra.